¹ ARY Jesosy feno ny Fanahy Masina dia niverina avy tany Jordana, ary nentin’ny Fanahy tany an-efitra efa-polo andro Izy ² ka nalain’ny devoly fanahy. Ary tsy nihinan-kanina akory Izy tamin’izany andro izany, ka rehefa tapitra izany, dia noana Izy. ³ Ary hoy ny devoly taminy: raha Zanak’Andriamanitra Hianao, teneno io vato io mba ho tonga mofo. ⁴ Fa Jesosy namaly azy ka nanao hoe: Voasoratra hoe: „Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona” (Deo. 8.3). ⁵ Ary ny devoly nitondra Azy niakatra, dia naneho Azy indray mipìmaso ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao. ⁶ Dia hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin’ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy; ⁷ koa raha hiankohoka eto anatrehako Hianao, dia ho Anao avokoa izany rehetra izany. ⁸ Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voasoratra hoe: „Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao” (Deo. 6.13; 10.20). ⁹ Ary nitondra Azy nankany Jerosalema izy, dia nampitoetra Azy teo an-tampon’ny tempoly ka nanao taminy hoe: Raha Zanak’Andriamanitra Hianao, mivarìna any ambany any; ¹⁰ fa voasoratra hoe: „Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro Anao; ¹¹ Ary eny an-tànany no hitondran’ireo Anao, Fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao” (Sal. 91.11, 12). ¹² Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voalaza hoe: „Aza maka fanahy an’i Jehovah Andriamanitrao” (Deo. 6.16). ¹³ Ary rehefa nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly, dia nandao Azy izy aloha. ¹⁴ ARY Jesosy niverina tamin’ny herin’ny Fanahy nankany Galilia; dia niely tamin’ny tany rehetra manodidina ny lazany. ¹⁵ Ary Izy nampianatra teny amin’ny synagogan’ny olona ka nankalazain’izy rehetra. ¹⁶ Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy, Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin’ny synagoga tamin’ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny. ¹⁷ Dia natolotra Azy ny bokin’Isaia mpaminany; ary nony namelatra ny boky Izy, dia nahita ny teny voasoratra hoe: ¹⁸ ,,Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin’ny jamba, Hanafaka izay nampahorina, ¹⁹ Hitory ny taona ankasitrahan’i Jehovah’’ (Isa. 61.1, 2). ²⁰ Ary rehefa nahorony ny boky ka naveriny tamin’ny mpanao raharaha, dia nipetraka Izy. Ary nandinika Azy ny mason’izay rehetra teo amin’ny synagoga. ²¹ Ary Jesosy niteny taminy hoe: Andro-any no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany. ²² Ary izy rehetra nankalaza Azy sady talanjona noho ny tenin’ny fahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy: Tsy Zanak’i Josefa va Ity?
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00