¹⁷ ARY tamin’ny andro anankiray, raha nampianatra Jesosy, dia nipetraka teo ny Fariseo sasany sy ny mpampiana-dalàna, izay efa niala tamin’ny tanàna rehetra any Galilia sy Jodia ary tany Jerosalema; ary ny herin’ny Tompo dia tao aminy mba hahasitranany. ¹⁸ Ary, indro, nisy nitondra lehilahy tamin’ny fandriana, izay mararin’ny paralysisa, ka nitady izay hampidirany sy hametrahany azy teo anatrehany. ¹⁹ Ary satria tsy nahita izay hampidirany azy izy noho ny habetsahan’ny vahoaka, dia niakatra teo an-tampon-trano ka nanesorany ny tafo tanimanga, dia nampidininy ralehilahy mbamin’ny fandriany ho eo afovoan’ny olona, dia teo anatrehan’i Jesosy. ²⁰ Ary raha hitan’i Jesosy ny finoan’ireo, dia hoy Izy: Ralehilahy, voavela ny helokao. ²¹ Fa ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo niara-nisaina hoe: Iza moa Ity miteny ratsy Ity? Iza no mahavela heloka, afa-tsy Andriamanitra ihany? ²² Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana hianareo no mieritreritra ao am-ponareo? ²³ Iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana? ²⁴ Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’olona manana fahefana etỳ ambonin’ny tany hamela heloka–dia hoy Izy tamin’ilay mararin’ny paralysisa: Izaho milaza aminao hoe: Mitsangàna, dia betao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao. ²⁵ Ary tamin’izay dia nitsangana teo anatrehan’ny olona izy ka nambeta ny fandriany, dia lasa nody sady nankalaza an’Andriamanitra. ²⁶ Ary talanjona avokoa ny olona rehetra, dia nankalaza an’Andriamanitra sady raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Efa nahita zavatra mahagaga isika andro-any. ²⁷ ARY rehefa afaka izany, dia nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy, nipetraka teo am-pamorian-ketra; dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy. ²⁸ Ary nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nitsangana, dia nanaraka Azy. ²⁹ Ary Levy nanao fanasana lehibe tao an-tranony ho an’i Jesosy; ary nisy mpamory hetra maro sy olon-kafa koa, izay niara-nipetraka nihinana teo aminy. ³⁰ Fa ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna izay teo aminy dia nimonomonona tamin’ny mpianatr’i Jesosy ka nanao hoe: Nahoana hianareo no miara-mihinana sy misotro amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota? ³¹ Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; ³² tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00