³⁵ ARY androtrizay ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy taminy: Andeha isika hita ho eny am-pita. ³⁶ Ary rehefa nampodin’ny mpianany ny vahoaka, dia nentiny tamin’io sambokely io tamin’izao ihany Jesosy. Ary nisy sambokely sasany koa niaraka taminy. ³⁷ Ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran’ny alondrano ny sambokely ka nila ho feno rano. ³⁸ Ary Jesosy natory teo am-bodin’ny sambokely tambonin’ny ondana; ary namoha Azy izy ireo ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao? ³⁹ Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin’ny ranomasina hoe: Mangìna, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro. ⁴⁰ Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra hianareo? Tsy mbola manam-pinoana va hianareo? ⁴¹ Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe: Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy? ¹ ARY tonga teny am-pitan’ny ranomasina tao amin’ny tanin’ny Gerasena izy ireo. ² Ary nony niala teo an-tsambokely Izy, niaraka tamin’izay dia nisy lehilahy azom-panahy maloto nivoaka avy teny amin’ny fasana ka nifanena taminy, ³ fa nitoetra tao amin’ny fasana izy; ary tsy nisy olona nahafatotra azy intsony na dia tamin’ny gadra aza. ⁴ Fa efa nafatony matetika tamin’ny gadra, na ny tànany, na ny tongony; nefa ny gadra tamin’ny tànany notapahiny, ary ny gadra tamin’ny tongony notorotoroiny, ka tsy nisy olona nahafolaka azy. ⁵ Ary mandrakariva, na andro na alina, dia nitoetra teny amin’ny fasana sy teny an-tendrombohitra izy ka ninananana sady niteti-tena tamin’ny vato. ⁶ Fa nony nahita an’i Jesosy teny lavitra eny izy, dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany ⁷ sady niantso tamin’ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izaho sy Hianao, ry Jesosy, Zanak’Andriamanitra Avo Indrindra ô? Ampianianiko amin’Andriamanitra Hianao, aza mampijaly ahy,– ⁸ satria Jesosy efa nanao taminy hoe: Mivoaha amin’ity lehilahy ity, ry fanahy maloto. ⁹ Dia nanontany azy Jesosy hoe: Iza moa no anaranao? Ary izy namaly hoe: Legiona no anarako, satria maro izahay. ¹⁰ Ary nifona mafy taminy izy mba tsy horoahiny hiala amin’izany tany izany. ¹¹ Ary nisy kisoa maro andiany iray nandrasana teny akaikin’ny tendrombohitra. ¹² Ary nifona taminy ireo ka nanao hoe: Alefaso izahay ho any anatin’ny kisoa mba hiditra any aminy. ¹³ Dia neken’i Jesosy. Ary ny fanahy maloto, rehefa nivoaka, dia niditra tao anatin’ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva teny amin’ny hantsana ho any amin’ny ranomasina (tokony ho roa arivo no isany), ka dia maty tany amin’ny ranomasina izy. ¹⁴ Ary ny mpiandry azy dia nandositra ka nilaza tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Dia nandeha ny olona mba hizaha izany zavatra izany; ¹⁵ ary tonga tany amin’i Jesosy izy ka nahita ilay demoniaka, izay nisy ny legiona, fa indro izy nipetraka nitafy lamba sady ary saina; ka raiki-tahotra ny olona. ¹⁶ Ary izay efa nahita dia nilazalaza tamin’ny olona izay natao tamin’ilay demoniaka sy ny amin’ny kisoa. ¹⁷ Ary nifona tamin’i Jesosy izy mba hiala amin’ny taniny. ¹⁸ Ary rehefa hiondrana teo an-tsambokely Jesosy, dia nangataka taminy ilay demoniaka mba hanaraka Azy. ¹⁹ Nefa tsy navelan’i Jesosy izy; fa hoy Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao ho any amin’ny havanao, ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon’ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao. ²⁰ Dia nandeha izy ka nitory tany Dekapolisy izay zavatra lehibe efa nataon’i Jesosy taminy; ka dia gaga ny olona rehetra.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00