²⁵ ARY, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an’i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? ²⁶ Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin’ny lalàna? Manao ahoana no famakinao azy? ²⁷ Ary izy namaly ka nanao hoe: ,,Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra’’ (Deo. 6.5); ary, ,,Tiava ny namanao tahaka ny tenanao’’ (Lev. 19.18). ²⁸ Ary hoy Jesosy taminy: Marina ny navalinao; ataovy izany, dia ho velona hianao. ²⁹ Fa izy ta-hanamarina ny tenany ka nanao tamin’i Jesosy hoe: Iza ary no namako? ³⁰ Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko ka azon’ny jiolahy, dia nendahany ny lambany, sady nokapohiny izy, dia nilaozany, rehefa saiky maty. ³¹ Ary sendra nisy mpisorona anankiray nidina tamin’izany làlana izany; ary raha nahita an-dralehilahy izy, dia nandalo azy. ³² Ary toy izany koa ny Levita anankiray, izay tonga teo, dia nahita azy, nefa nandalo koa. ³³ Fa nisy kosa Samaritana anankiray nandeha tamin’ny nalehany ka tonga teo aminy, ary nony nahita azy, dia onena. ³⁴ Dia nanatona izy, ka nofeheziny ny feriny, sady nasiany diloilo sy divay; dia nampitaingeniny tamin’ny bibiny izy, ka nentiny ho any amin’ny tranom-bahiny, dia notsaboiny. ³⁵ Ary nony ampitson’iny, dia naka denaria roa izy, ka nomeny ny tompon’ny tranom-bahiny, sady nanao taminy hoe: Tsaboy izy; ary na hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako, rehefa miverina aho. ³⁶ Iza moa amin’izy telo lahy no ataonao ho naman’ilay azon’ny jiolahy? ³⁷ Ary hoy izy: Ilay niantra azy. Dia hoy Jesosy taminy: Mandehana hianao, ka mba manaova toy izany koa.
²⁷ Kanefa hoy Izaho aminareo izay mihaino: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin’izay mankahala anareo; ²⁸ misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo. ²⁹ Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny anankiray; ary raha misy maka ny lambanao, aza lavinao na dia ny akanjonao aza. ³⁰ Omeo izay rehetra mangataka aminao; ary raha misy maka ny anananao, dia aza manaraka izany aminy. ³¹ Ary araka izay tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00