¹ ARY nisy lehilahy anankiray narary, dia Lazarosy avy any Betania, tanànan’i Maria sy Marta rahavaviny. ² Maria dia ilay nanosotra ny Tompo tamin’ny menaka manitra sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany, ary Lazarosy anadahiny no narary. ³ Ary izy mirahavavy dia naniraka tany amin’i Jesosy hanao hoe: Tompoko, indro, marary ilay tianao. ⁴ Ary rehefa ren’i Jesosy izany, dia hoy Izy: Tsy ho fahafatesana no anton’izany aretina izany, fa ny hampisehoana ny voninahitr’Andriamanitra, mba hankalazana ny Zanak’Andriamanitra. ⁵ Ary Jesosy tia an’i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy. ⁶ Koa nony ren’i Jesosy fa narary Lazarosy, dia mbola nitoetra indroa andro teo amin’izay nitoerany ihany Izy. ⁷ Rehefa afaka izany, dia hoy Izy tamin’ny mpianatra: Andeha isika ho any Jodia indray. ⁸ Hoy ny mpianatra taminy: Raby ô, vao haingana teo no nitadiavan’ny Jiosy hitora-bato Anao, ka hankany indray va Hianao? ⁹ Jesosy namaly hoe: Tsy roa ambin’ny folo va ny ora amin’ny indray andro? Raha misy mandeha amin’ny antoandro, dia tsy mba tafintohina izy, fa mahita ny fahazavan’izao tontolo izao. ¹⁰ Fa raha misy kosa mandeha amin’ny alina, dia ho tafintohina izy, satria tsy misy mazava ao aminy. ¹¹ Izany no nolazainy; ary rehefa afaka izany, dia hoy Izy taminy: Matory Lazarosy sakaizantsika; fa handeha hamoha azy Aho. ¹² Dia hoy ny mpianatra taminy: Tompoko, raha matory izy, dia ho tsara ihany. ¹³ Nefa Jesosy nilaza ny fahafatesany; fa nataon’izy ireo kosa fa ny fialan-tsasatra amin’ny torimaso no nolazainy. ¹⁴ Ary tamin’izany Jesosy dia nilaza tsotra taminy hoe: Maty Lazarosy: ¹⁵ ary faly Aho noho ny aminareo, satria tsy teo Aho, mba hinoanareo; fa andeha isika hankany aminy. ¹⁶ Dia hoy Tomasy (izay atao hoe Didymo) tamin’ny mpianatra namany: Andeha koa isika mba hiara-maty aminy. ¹⁷ Ary nony tonga Jesosy, dia hitany fa efa nilevina hefarana izy. ¹⁸ Ary Betania dia tao akaikin’i Jerosalema, tokony ho dimy ambin’ny folo stadio no elanelany. ¹⁹ Ary maro tamin’ny Jiosy no efa tonga teo amin’i Marta sy Maria hitsapa alahelo azy noho ny amin’ny anadahiny. ²⁰ Ary Marta, raha nandre fa tamy Jesosy, dia nandeha nitsena Azy; fa Maria kosa nitoetra tao an-trano. ²¹ Ary hoy Marta tamin’i Jesosy: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko. ²² Nefa fantatro fa na dia ankehitriny izao aza na inona na inona no hangatahinao amin’Andriamanitra dia homen’Andriamanitra Anao. ²³ Hoy Jesosy taminy: Hitsangana ny anadahinao. ²⁴ Fa hoy Marta taminy: Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany. ²⁵ Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. ²⁶ Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va hianao? ²⁷ Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra, Ilay ho tonga amin’izao tontolo izao. ²⁸ Ary rehefa nilaza izany izy, dia lasa nandeha ka niantso mangingina an’i Maria rahavaviny, nanao hoe: Tonga ny Mpampianatra ka miantso anao. ²⁹ Ary raha vao nandre izany Maria, dia nitsangana faingana izy ka nankeo aminy. ³⁰ Fa Jesosy tsy mbola tonga tao an-tanàna, fa mbola teo amin’ilay nitsenan’i Marta Azy ihany. ³¹ Ary ny Jiosy izay tao amin’i Maria tao an-trano ka nitsapa alahelo azy, raha nahita azy nitsangana faingana ka nivoaka, dia nanaraka azy, satria nataony fa nankany amin’ny fasana hitomany any izy. ³² Ary Maria, rehefa tonga teo amin’izay nitoeran’i Jesosy ka nahita Azy, dia niankohoka teo amin’ny tongony ka nanao taminy hoe: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko. ³³ Ary Jesosy nony nahita azy nitomany sy ny Jiosy izay niaraka taminy nitomany koa, dia vonto ny fanahiny, ka toran-kovitra Izy; ³⁴ ary hoy Izy: Aiza moa no nandevenanareo azy? Dia hoy ireo taminy: Tompoko, andeha hizaha. ³⁵ Jesosy nitomany. ³⁶ Dia hoy ny Jiosy: Akory ity haben’ny fitiavany azy! ³⁷ Fa hoy ny sasany: Moa tsy hain’Ilehity, Izay nampahiratra ny mason’ilay jamba va, ny manao izay tsy ho nahafaty an-dralehilahy ity? ³⁸ Dia vonto indray ny fanahin’i Jesosy, ka nankeo amin’ny fasana Izy; ary zohy izany, sady nisy vato narindrina teo. ³⁹ Hoy Jesosy: Esory ny vato. Hoy Marta, anabavin’ny maty, taminy: Tompoko, maimbo izy izao, fa efa hefarana izay. ⁴⁰ Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino hianao, dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra? ⁴¹ Dia nesoriny ny vato. Ary Jesosy dia nanandratra ny masony ka nanao hoe: Ray ô, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Hianao. ⁴² Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Hianao; fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no nilazako izany, mba hinoany fa Hianao no naniraka Ahy. ⁴³ Ary rehefa nanao izany teny izany Izy, dia niantso tamin’ny feo mahery hoe: Ry Lazarosy, mivoaha! ⁴⁴ Dia nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin’ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00