Ny fanetren-tenan'i Jesosy

Fisakaizana

Raha jerena ny izay nitranga taminao hatramin’ny nihaonantsika farany, inona no zavatra iray isaoranao an’Andriamanitra?
Inona no nanahiran-tsaina anao tamin'ity herinandro ity, ary inona no ilainao mba fanatsarana ny zava-misy?
Inona no zavatra ilain'ny olona ao amin'ny fiaraha-monina misy anao, ary ahoana no ahafahantsika mifanampy amin'ny fiahiana izany?
Inona no tantara tamin'ny fotoana nihaonantsika farany? Inona no nianarantsika mikasika an'Andriamanitra sy ny olona?
Tamin'ny fivoriantsika farany, hanapa-kevitra ianao fa hampihatra ny zavatra nianaranao. Inona no nationao, ary nanao ahoana izany?
Iza no nizaranao zavatra avy amin'ny tantara tamin'ny farany? Ahoana no nasetrin'izy ireo izany?
Nahita zavatra ilaina maromaro Isika tamin'ny fivoriantsika farany ary nanao drafitra hamaliana izany. Nanao ahoana ny fizotrany?
Amin'izao fotoana izao isika dia hamaky ny tantara avy amin'Andriamanitra androany...

Jaona 13: 1-17

¹ ARY talohan’ny andro firavoravoana tamin’ny Paska, satria fantatr’i Jesosy fa tonga ny fotoana hialany amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray, ary efa tia ny Azy izay amin’izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin’ny farany. ² Ary raha mbola teo amin’ny fisakafoana hariva, ary Jodasy Iskariota, zanak’i Simona, efa nomen’ny devoly saina rahateo mba hamadika Azy, ³ sady fantatr’i Jesosy koa fa ny Ray efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany, ary Andriamanitra no nihaviany, sady Andriamanitra koa no hiverenany, dia nitsangana niala teo am-pihinanana Izy ka nametraka ny lambany ary naka lamba famaohana, ka nisikinany; ary rehefa vita izany, dia nampidina rano tamin’ny tavy Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namaoka azy tamin’ny lamba famaohana izay nisikinany. Dia nankeo amin’i Simona Petera Izy; fa hoy Petera taminy: Tompoko, Hianao va hanasa ny tongotro? Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay ataoko dia tsy fantatrao ankehitriny, fa ho fantatrao rahatrizay. Fa hoy Petera taminy: Sanatria raha hanasa ny tongotro Hianao. Jesosy namaly azy hoe: Raha tsy hosasako hianao, dia tsy manana anjara amiko. Dia hoy Simona Petera taminy: Tompoko, tsy ny tongotro ihany ary, fa ny tànako sy ny lohako koa. ¹⁰ Fa hoy Jesosy taminy: Izay efa nandro tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany, fa efa madio avokoa; ary hianareo dia madio, nefa tsy hianareo rehetra. ¹¹ Fa fantany ilay efa hamadika Azy; koa izany no nilazany hoe: Tsy madio avokoa hianareo rehetra. ¹² Ary rehefa voasasany ny tongony, dia nandray ny lambany Izy ka nipetraka indray, dia nanao taminy hoe: Fantatrareo va izay nataoko taminareo? ¹³ Hianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho. ¹⁴ Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, hianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra. ¹⁵ Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. ¹⁶ Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy. ¹⁷ Raha fantatrareo izany, dia sambatra hianareo, raha manao izany.

Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.

Fampiharana

Amin'izao fotoana, aoka hisy olona iray hitantara ity andalana ity amin'ny fiteniny manokana, toy ny hoe mitantara izany amin’ny namana mbola tsy nahare mihitsy. Ndeha ampiantsika izy ireo raha zavatra adinony na diso nampidiriny. Raha mitranga izany dia anontaniantsika izy hoe: “Aiza ao amin’ny tantara no ahitana izany?”
Inona no ampianarin'ity tantara ity antsika mikasika an'Andriamanitra, ny toetrany, ary izay ataony?
Inona no ampianarin'ity tantara antsika mikasika ny olombelona, ao anatin'izany koa ny tenantsika?
Ahoana no hampiharanao ny fahamarinana avy amin'ity tantara ity amin'ny fiainanao amin'ity herinandro ity? Inona no hetsika na zavatra manokana hataonao?
Iza no hizaranao ny fahamarinana avy amin'ny tantara alohan'ny hihaonantsika manaraka indray? Mahafantatra olona maniry ny hahafantatra ny tenin'Andriamanitra ato anatin'ity apps ity tahaka antsika ve ianao?
Eto am-pamaranana ny fivoriantsika, ndao hanapa-kevitra hoe rahoviana indray isika no mivory ary iza no hanentana ny fivoriantsika manaraka.
Mampahery anao mba hitadidy tsara ny zavatra nolaizanao fa hataonao, sy hamerina hihaino ny tantara alohan'ny andro hivoriantsika indray. Ny mpanentana dia afaka mizara ny tantara an-tsoratra na henoina amin'izay tsy manana izany. Raha handeha isika, ndao hangataka ny Tompo hanampy antsika.

0:00

0:00