³⁶ ARY Jesosy mbamin’ny mpianany dia tonga tao amin’ny saha anankiray atao hoe Getsemane, ary hoy Izy tamin’ny mpianany: Mipetraha eto aloha hianareo, raha mbola mankeroa hivavaka Aho. ³⁷ Ary nitondra an’i Petera mbamin’izy roa lahy zanak’i Zebedio Izy, dia nalahelo am-po sy ory indrindra. ³⁸ Dia hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miaraha miari-tory amiko. ³⁹ Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao. ⁴⁰ Ary nankeo amin’ny mpianatra Izy ka nahita azy matory; dia hoy Izy tamin’i Petera: Hay! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza hianareo! ⁴¹ Miareta tory sy mivavaha hianareo, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery. ⁴² Dia nandeha fanindroany Izy ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no hatao. ⁴³ Ary nony tonga Izy, dia nahita azy matory indray; fa efa nilondolondo ny masony. ⁴⁴ Ary rehefa nandao azy Izy ka lasa indray, dia nivavaka fanintelony ka nanao izany teny izany ihany. ⁴⁵ Dia nankeo amin’ny mpianatra Izy ka nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra hianareo; indro, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak’olona hatolotra eo an-tànan’ny mpanota. ⁴⁶ Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy. ⁴⁷ ARY raha mbola niteny Jesosy, indro, avy Jodasy, izay isan’ny roa ambin’ny folo lahy, mbamin’ny vahoaka betsaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona. ⁴⁸ Ary ilay namadika Azy nanome famantarana ny olona ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy. ⁴⁹ Ary niaraka tamin’izay dia nanatona an’i Jesosy izy ka nanao hoe: Finaritra, Raby! dia nanoroka Azy. ⁵⁰ Fa hoy Jesosy taminy: Ry sakaiza, ataovy izay nalehanao eto. Dia nanatona ny olona ka nisambotra an’i Jesosy ary nitana Azy. ⁵¹ Ary, indro, ny anankiray tamin’izay nomba an’i Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanatsoaka ny sabany ka nikapa ny mpanompon’ny mpisorona-be ary nahafaka ny sofiny. ⁵² Fa hoy Jesosy taminy: Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ny sabatra. ⁵³ Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin’ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin’ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny? ⁵⁴ Raha izany, dia hatao ahoana no hahatanteraka ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izany? ⁵⁵ Ary tamin’izany ora izany dia niteny tamin’ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va hianareo? Isan-andro dia nipetraka nampianatra teo an-kianjan’ny tempoly Aho, nefa tsy nisambotra Ahy hianareo. ⁵⁶ Fa izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay voasoratry ny mpaminany. Ary tamin’izany dia nandao Azy ny mpianatra rehetra ka nandositra.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00