³² Ary nisy olon-dratsy roa lahy nentina hiaraka hovonoina aminy koa. ³³ Ary rehefa tonga teo amin’ny tany atao hoe Ikarandoha izy, dia teo no namonoany an’i Jesosy sy ireo olon-dratsy ireo, ny anankiray teo an-kavanany, ary ny anankiray teo an-kaviany. ³⁴ Ary hoy Jesosy: Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony. Dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany. ³⁵ Ary ny olona nijanona teo ka nijery. Ary ny loholona kosa mba nandatsa ka nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy; aoka hovonjeny koa ny tenany, raha Izy no Kristin’Andriamanitra, dia Ilay nofidina. ³⁶ Ary ny miaramila koa nihomehy Azy, dia nankeo ka nanome Azy vinaingitra, ³⁷ sady nanao hoe: Raha Hianao no Mpanjakan’ny Jiosy, vonjeo ny tenanao. ³⁸ Ary nisy soratra teo amboniny nanao hoe: ITY NO MPANJAKAN’NY JIOSY. ³⁹ Ary ny anankiray tamin’ireo olon-dratsy nahantona teo ireo dia niteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tsy Hianao va no Kristy? vonjeo ny tenanao sy izahay. ⁴⁰ Fa namaly kosa ilay anankiray, sady nananatra ny namany ka nanao hoe: Moa hianao koa tsy mba matahotra an’Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza? ⁴¹ Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin’ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza. ⁴² Ary hoy izy: Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao Hianao. ⁴³ Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. ⁴⁴ Ary rehefa tokony ho tamin’ny ora fahenina, dia maizina ny tany rehetra ka naharitra hatramin’ny ora fahasivy izany, ⁴⁵ satria nihamaizina ny masoandro, ary triatra misasaka ny efitra lamba teo amin’ny tempoly. ⁴⁶ Ary niantso tamin’ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô, eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko (Sal. 31.5); ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy. ⁴⁷ Ary ny kapiteny, raha nahita izay zavatra tonga teo, dia nankalaza an’Andriamanitra ka nanao hoe: Lazaiko tokoa fa marina io Lehilahy io. ⁴⁸ Ary ny vahoaka rehetra izay vory teo mba hijery izany, raha nahita ny zavatra tonga teo, dia niverina miteha-tratra. ⁴⁹ Fa ny olom-pantany rehetra sy ny vehivavy izay nanaraka Azy avy tany Galilia dia nijanona teny lavidavitra eny nijery izany zavatra izany. ⁵⁰ ARY indro, nisy lehilahy atao hoe Josefa, izay isan’ny Synedriona, dia lehilahy tsara fanahy sady marina. ⁵¹ Izany lehilahy izany tsy nanaiky ny hevitra sy ny nataon’ny sasany; avy tany Arimatia, tanànan’ny Jiosy, izy sady niandry ny fanjakan’Andriamanitra. ⁵² Izany lehilahy izany dia nankao amin’i Pilato ka nangataka ny fatin’i Jesosy. ⁵³ Dia nampidininy ny faty ka nofonosiny hariry madinika, dia naleviny tao amin’ny fasana nolavahana tamin’ny vatolampy, izay tsy mbola nandevenana olona. ⁵⁴ Ary andro fiomanana izany andro izany, ka efa antomotra ny Sabata. ⁵⁵ Ary ny vehivavy izay nomba Azy avy tany Galilia dia nanaraka teo aoriana ka nahita ny fasana sy izay fampandriny ny faty. ⁵⁶ Ary niverina ireo ka namboatra zava-manitra sy menaka manitra. ARY tamin’ny Sabata dia nitsahatra ihany izy araka ny lalàna.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00