¹¹ Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana ¹² ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay nandrian’ny fatin’i Jesosy. ary ny anankiray teo an-tongotra. ¹³ Ary hoy ireo taminy: Ravehivavy, nahoana hianao no mitomany? Dia hoy izy taminy: Satria nalain’olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy. ¹⁴ Rehefa nilaza izany izy, dia nitodika ka nahita an’i Jesosy nitsangana teo, nefa tsy fantany ho Jesosy. ¹⁵ Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, nahoana hianao no mitomany? iza no tadiavinao? Nataony fa mpiandry saha Izy, ka hoy izy taminy: Tompoko, raha Hianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, ary izaho dia haka Azy. ¹⁶ Hoy Jesosy taminy: Ry Maria! Dia nitodika izy ka niteny taminy nanao teny Hebreo hoe: Rabôny! izany hoe: Mpampianatra ô. ¹⁷ Hoy Jesosy taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin’ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo. ¹⁸ Dia tonga Maria Magdalena ka nilaza tamin’ny mpianatra hoe: Efa nahita ny Tompo aho, sady izany teny izany no nolazainy taminy. ¹⁹ Ary rehefa harivan’ilay andro voalohany amin’ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran’izay niangonan’ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo. ²⁰ Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo. ²¹ Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan’ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa. ²² Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy; Raiso ny Fanahy Masina; ²³ na helok’iza na helok’iza no avelanareo, dia voavela izany; ary na an’iza na an’iza kosa no tsy avelanareo, dia tsy voavela izany. ²⁴ Fa Tomasy, anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy, ilay atao hoe Didymo, dia tsy mba teo aminy raha tonga Jesosy. ²⁵ Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy hitako eo amin’ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tànako, ary ataoko eo amin’ny lanivoany koa ny tànako, dia tsy mba hino aho. ²⁶ Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo. ²⁷ Ary hoy Izy tamin’i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan’tànanao, ka jereo ny tànako; ary atehefo eto koa ny tànanao, ka ataovy amin’ny lanivoako; ary aza ho isan’izay tsy mino, fa minoa. ²⁸ Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro! ²⁹ Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy hianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino. ³⁰ Ary nisy famantarana maro hafa koa nataon’i Jesosy teo imason’ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin’ity boky ity; ³¹ fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino hianareo.
⁵⁰ Ary Jesosy nitondra azy hatrany Betania, dia nanandratra ny tànany ka nitso-drano azy. ⁵¹ Ary raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra. ⁵² Ary izy ireo nitsaoka Azy, dia niverina ho any Jerosalema sady faly indrindra.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00