¹ ARY Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany. ² Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe: ³ Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan’ny lanitra. ⁴ Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina. ⁵ Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany (Sal. 37.11). ⁶ Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana. ⁷ Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana. ⁸ Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an’Andriamanitra, ⁹ Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak’Andriamanitra. ¹⁰ Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan’ny lanitra. ¹¹ Sambatra hianareo, raha haratsin’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. ¹² Mifalia sy miravoravoa hianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00