³⁵ ARY Jesosy nandeha nitety ny tanàna rehetra sy ny vohitra, nampianatra tao amin’ny synagoga sy nitory ny filazantsaran’ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra. ³⁶ Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. ³⁷ Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: ³⁸ Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra. ¹ Ary Jesosy niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto sy hahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra.
⁵ Ireo roa ambin’ny folo lahy ireo dia nirahin’i Jesosy ka nodidiany hoe: Aza mandeha any amin’ny làlan’ny jentilisa, ary aza miakatra amin’izay tanànan’ny Samaritana, ⁶ fa aleo mankany amin’ny ondry very amin’ny taranak’Isiraely. ⁷ Ary raha mandeha hianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan’ny lanitra. ⁸ Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana hianareo, koa manomeza maimaimpoana. ⁹ Aza mitady volamena, na volafotsy, na varahina, ho ao anatin’ny fehin-kibonareo, ¹⁰ na kitapom-batsy ho amin’izay haleha, na akanjo roa, na kapa na tehina; fa ny mpiasa dia miendrika hahazo ny haniny. ¹¹ Ary izay tanàna na vohitra hiakaranareo, dia fantaro tsara izay mendrika ao; ka mitoera ao aminy mandra-pialanareo. ¹² Ary raha vao miditra ao amin’ny trano hianareo, dia miarahabà ny ao. ¹³ Koa raha mendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy mendrika izy, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo. ¹⁴ Ary izay tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino ny teninareo, raha miala amin’izany trano na tanàna izany hianareo, dia ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo. ¹⁵ Lazaiko aminareo marina tokoa fa ho moramora kokoa ny ho amin’ny tany Sodoma sy Gomora amin’ny andro fitsarana noho ny ho amin’izany tanàna izany. ¹⁶ Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan’ny amboadia; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala. ¹⁷ Ary mitandrema hianareo noho ny amin’ny olona; fa hatolony ho amin’ny Synedriona sy hokapohiny ao amin’ny synagogany hianareo; ¹⁸ ary ho entiny eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka hianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin’ny jentilisa. ¹⁹ Fa raha manolotra anareo izy, dia aza manahy ny amin’izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo; fa homena anareo amin’izany ora izany izay holazainareo. ²⁰ Fa tsy hianareo no miteny, fa ny Fanahin’ny Rainareo no miteny ao anatinareo.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00