¹⁶ Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo hianareo. ¹⁷ Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo. ¹⁸ Fa raha tarihin’ny Fanahy hianareo, dia tsy mba ambanin’ny lalàna. ¹⁹ Fa miharihary ny asan ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, ²⁰ fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, ²¹ fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra. ²² Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, ²³ fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany. ²⁴ Fa izay an’i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filàny tamin’ny hazofijaliana. ²⁵ Raha velon’ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00