⁵ Ary izao no teny renay taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy. ⁶ Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin’ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina. ⁷ Fa raha mandeha eo amin’ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra. ⁸ Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika. ⁹ Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra. ¹⁰ Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary ny teniny tsy ato anatintsika. ¹ Anaka, izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina; ² ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00