²¹ Dia nanatona Petera ka nanao taminy hoe: Tompoko, impiry moa no hanotan’ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin’ny impito va? ²² Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fito-polo. ²³ Koa amin’izany ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray, izay te-hidinika amin’ny mpanompony ny amin’ny volany. ²⁴ Ary raha vao nidinika izy, dia nisy anankiray nentina teo aminy, izay nitrosa talenta iray alina. ²⁵ Ary satria tsy nanan-kaloa izy, dia nasain’ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany mbamin’ny fananany rehetra handoavana ny trosa. ²⁶ Dia niankohoka teo anatrehany ilay mpanompo ka nanao hoe: Tompoko, omeo andro aho, fa haloako ny anao rehetra. ²⁷ Ary ny tompon’izany mpanompo izany dia onena azy ka nandefa azy sady namoy ny trosa taminy. ²⁸ Nefa nony nivoaka izany mpanompo izany, dia nahita mpanompo namany anankiray, izay nitrosa denaria zato taminy; dia nosamboriny izy ka notraohiny sady nataony hoe: Aloavy izay trosako aminao. ²⁹ Fa niankohoka ilay mpanompo namany ka nifona taminy nanao hoe: Omeo andro aho, fa haloako ny anao. ³⁰ Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy tao an-trano-maizina mandra-pandoany ny trosa. ³¹ Ary nony hitan’ireo mpanompo namany izay efa natao, dia nalahelo indrindra izy ka nandeha nanambara tsara tamin’ny tompony izany rehetra natao izany. ³² Dia nampanalain’ny tompony ralehilahy ka noteneniny hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko ilay trosa rehetra taminao, satria nifona tamiko hianao; ³³ moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin’ny mpanompo namanao koa va hianao tahaka ny namindrako fo taminao? ³⁴ Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin’ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra. ³⁵ Ary tahaka izany koa no hataon’ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy hianareo.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00