¹ ARY ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra izay nataon’i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon’Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ny saha? ² Fa hoy ravehivavy tamin’ny menarana: Ny voan’ny hazo eo amin’ny saha dia azonay ihinanana ihany; ³ fa ny voan’ny hazo eo afovoan’ny saha kosa no efa nataon’Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo na tendrenareo izany, fandrao maty hianareo. ⁴ Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory hianareo; ⁵ fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy. ⁶ Ary hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany; ary nomeny koa ny vadiny, ka dia nihinana izy. ⁷ Dia nahiratra ny mason’izy mivady, ka fantany fa mitanjaka izy; ary nanjaitra ravin’aviavy izy, ka nataony sikina ho azy. ⁸ Ary nandre an’i Jehovah Andriamanitra nitsangantsangana teo amin’ny saha izy, rehefa ho hariva ny andro; ary ralehilahy sy ny vadiny niery ny tavan’i Jehovah Andriamanitra tao anaty hazo tao amin’ny saha. ⁹ Ary Jehovah Andriamanitra dia niantso an-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Aiza moa hianao? ¹⁰ Dia hoy izy: Nandre Anao tao amin’ny saha aho; dia natahotra aho, satria mitanjaka, ka dia niery. ¹¹ Ary hoy Izy: Iza moa no nanambara taminao fa mitanjaka hianao? Efa nihinananao va ny hazo izay nandrarako anao tsy hihinananao? ¹² Dia hoy ralehilahy: Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho. ¹³ Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin-dravehivavy: Inona izao nataonao izao? Dia hoy ravehivavy: Ny menarana no namitaka ahy, ka dia nihinana aho. ¹⁴ Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin’ny menarana: Satria nanao izany hianao, koa amin’ny biby fiompy rehetra sy ny bibi-dia rehetra dia hianao no voaozona: ny kibonao no handehananao, ary vovo-tany no hohaninao amin’ny andro rehetra hiainanao. ¹⁵ Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony. ¹⁶ Ary hoy koa Izy tamin-dravehivavy: Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha manan-anaka hianao; ary fahoriana no hiterahanao zanaka; ary ny vadinao no hianteheran’ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao. ¹⁷ Ary hoy koa Izy tamin’i Adama: Satria efa nihaino ny feon’ny vadinao hianao, ka nihinananao ny hazo izay nandrarako anao hoe: Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinananao ny vokany amin’ny andro rehetra hiainanao. ¹⁸ Ary haniry tsilo sy hery ho anao izy; ary hohaninao ny anana famboly. ¹⁹ Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin’ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao. ²⁰ Ary ralehilahy nanao ny anaran’ny vadiny hoe Eva, satria izy no renin’ny olombelona rehetra. ²¹ Ary Jehovah Andriamanitra nanao akanjo hoditra ho an’i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy. ²² Ary hoy Jehovah Andriamanitra: Indro, ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy; ary ankehitriny, andrao haninjitra ny tànany izy, ka hakany koa ny hazon’aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy; ²³ ka dia nesorin’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny saha Edena izy hiasa ny tany izay nanalana azy. ²⁴ Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan’ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon’ny sabatra mihebiheby hiambina ny làlana mankany amin’ny hazon’aina.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00