⁵ Ary hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro. ⁶ Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany olona tambonin’ny tany, ka nalahelo ny fony.
⁹ Ary izao no tantaran’i Noa: Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin’ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin’Andriamanitra Noa. ¹⁰ Ary Noa niteraka zanaka telo mirahalahy, dia Sema sy Hama ary Jafeta. ¹¹ Ary simba ny tany teo anatrehan’Andriamanitra sady heni-doza; ¹² dia hitan’Andriamanitra ny tany, ka, indro, efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy efa nanimba ny làlany avy tambonin’ny tany. ¹³ Dia hoy Andriamanitra tamin’i Noa: Ny faran’ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho ny amin’ny olona, ka, indro, efa handringana azy mbamin’ny tany Aho. ¹⁴ Koa, manaova sambo-fiara ho anao amin’ny hazo gofera; ary hasianao efitrefitra ny sambo-fiara, ka hopetahanao dity ao anatiny sy eo ivelany izy. ¹⁵ Ary toy izao no hanaovanao azy: hakiho telon-jato ny lavan’ny sambo-fiara, hakiho dimam-polo ny sakany, ary hakiho telo-polo ny hahavony. ¹⁶ Ary hasianao fidiran’ny mazava ny sambo-fiara, ary amin’ny hakiho iray no hahavitanao azy hatreo ambony; ary hasianao vara-varana ny rindrin’ny sambo-fiara; hataonao efitra telo mifanongoa izy. ¹⁷ Ary, indro, Izaho efa hahatonga ny safo-drano ambonin’ny tany handringana ny nofo rehetra izay manampofonaina ambanin’ny lanitra; dia ho faty izay rehetra eo amin’ny tany. ¹⁸ Nefa kosa haoriko ny fanekeko aminao; ary hiditra ao anatin’ny sambo-fiara hianao sy ny vadinao aman-janakao mbamin’ny vinantonao-vavy miaraka aminao. ¹⁹ Ary ny zava-manan-aina rehetra, dia ny nofo rehetra, hitondranao roa avy isan-karazany ho ao anatin’ny sambo-fiara, hovelomina miaraka aminao; ho lahy sy vavy avy ireo. ²⁰ Ny vorona, samy araka ny karazany avy, ary ny biby, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, samy araka ny karazany avy, dia roa avy isan-karazany no hankeo aminao hovelomina. ²¹ Ary analao ho anao ny zavatra rehetra izay mety ho fihinana, ka angony ho eo aminao; dia ho fihinana ho anao sy ho an’ireo koa izany. ²² Dia nataon’i Noa izany; araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy no nataony.
¹⁷ Ary naharitra efa-polo andro tambonin’ny tany ny safo-drano, dia tonga betsaka ny rano ka nanainga ny sambo-fiara, dia nitsinkafona ho akafa amin’ny tany izy. ¹⁸ Ary nahery ny rano ka tonga betsaka indrindra tambonin’ny tany, dia nandeha teny ambonin’ny rano ny sambo-fiara. ¹⁹ Ary nahery dia nahery indrindra ny rano teny ambonin’ny tany, ka voasarona ny tendrombohitra avo rehetra izay tambanin’ny lanitra rehetra. ²⁰ Dimy ambin’ny folo hakiho no nihoaran’ny rano, ka voasarona ny tendrombohitra. ²¹ Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin’ny tany, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny bibi-dia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany ary ny olona rehetra. ²² Izay rehetra nanam-pofonaina teo am-bavorony, avy tamin’izay rehetra teo amin’ny tany maina, dia maty avokoa. ²³ Ary naringana ny zavatra velona rehetra izay tambonin’ny tany, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voro-manidina; dia naringana tsy ho amin’ny tany ireny; ary Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin’ny sambo-fiara ihany no sisa velona. ²⁴ Ary nahery tambonin’ny tany dimam-polo amby zato andro ny rano.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00