Natoky an'Andriamanitra i Abrahama

Fisakaizana

Raha jerena ny izay nitranga taminao hatramin’ny nihaonantsika farany, inona no zavatra iray isaoranao an’Andriamanitra?
Inona no nanahiran-tsaina anao tamin'ity herinandro ity, ary inona no ilainao mba fanatsarana ny zava-misy?
Inona no zavatra ilain'ny olona ao amin'ny fiaraha-monina misy anao, ary ahoana no ahafahantsika mifanampy amin'ny fiahiana izany?
Inona no tantara tamin'ny fotoana nihaonantsika farany? Inona no nianarantsika mikasika an'Andriamanitra sy ny olona?
Tamin'ny fivoriantsika farany, hanapa-kevitra ianao fa hampihatra ny zavatra nianaranao. Inona no nationao, ary nanao ahoana izany?
Iza no nizaranao zavatra avy amin'ny tantara tamin'ny farany? Ahoana no nasetrin'izy ireo izany?
Nahita zavatra ilaina maromaro Isika tamin'ny fivoriantsika farany ary nanao drafitra hamaliana izany. Nanao ahoana ny fizotrany?
Amin'izao fotoana izao isika dia hamaky ny tantara avy amin'Andriamanitra androany...

Genesisy 12: 1-7

¹ ARY hoy Jehovah tamin’i Abrama: Mandehana miala amin’ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ny rainao hankany amin’ny tany izay hasehoko anao; ² dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa hianao; ³ ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Dia nandeha Abrama araka izay efa nolazain’i Jehovah taminy, ary Lota koa mba niaraka taminy. Ary efa dimy amby fito-polo taona Abrama, raha niala tao Harana izy. Ary Abrama nitondra an’i Saray vadiny sy Lota zana-drahalahiny mbamin’ny fananan’izy rehetra izay efa noharìny sy ny olona izay efa azony tao Harana; dia niainga izy ireo hankany amin’ny tany Kanana, ka tonga tany amin’ny tany Kanana izy. Ary Abrama dia nitety ny tany hatrany Sekema; dia tao an-kazo terebintan’i More. Ary ny Kananita no tompon-tany tany Kanana fahizay. Ary Jehova niseho tamin’i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity. Dia nanorina alitara teo izy ho an’i Jehovah Izay niseho taminy.

Genesisy 15: 1-6

¹ REHEFA afaka izany, dia tonga tamin’i Abrama ny tenin’i Jehovah tamin’ny fahitana ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama; Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao. ² Ary hoy Abrama: Jehovah Tompo ô, inona no homenao ahy? fa izaho mandroso fahanterana nefa tsy manan-janaka, ary ny ho tompon’ny ahy dia ilay Eliezera avy any Damaskosy. ³ Ary hoy koa Abrama: Indro, izaho tsy nomenao fara handimby, ka, indro, ny anankiray amin’ny ato an-tranoko no handova ahy. Ary, indro, ny tenin’i Jehovah tonga taminy hoe: Tsy handova anao izany; fa izay haterakao, dia izy no handova anao. Dia nitondra azy nivoaka teo ivelan’ny lay Izy ka nanao hoe: Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahìsa azy hianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka izany ny taranakao. Ary nino an’i Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany.

Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.

Fampiharana

Amin'izao fotoana, aoka hisy olona iray hitantara ity andalana ity amin'ny fiteniny manokana, toy ny hoe mitantara izany amin’ny namana mbola tsy nahare mihitsy. Ndeha ampiantsika izy ireo raha zavatra adinony na diso nampidiriny. Raha mitranga izany dia anontaniantsika izy hoe: “Aiza ao amin’ny tantara no ahitana izany?”
Inona no ampianarin'ity tantara ity antsika mikasika an'Andriamanitra, ny toetrany, ary izay ataony?
Inona no ampianarin'ity tantara antsika mikasika ny olombelona, ao anatin'izany koa ny tenantsika?
Ahoana no hampiharanao ny fahamarinana avy amin'ity tantara ity amin'ny fiainanao amin'ity herinandro ity? Inona no hetsika na zavatra manokana hataonao?
Iza no hizaranao ny fahamarinana avy amin'ny tantara alohan'ny hihaonantsika manaraka indray? Mahafantatra olona maniry ny hahafantatra ny tenin'Andriamanitra ato anatin'ity apps ity tahaka antsika ve ianao?
Eto am-pamaranana ny fivoriantsika, ndao hanapa-kevitra hoe rahoviana indray isika no mivory ary iza no hanentana ny fivoriantsika manaraka.
Mampahery anao mba hitadidy tsara ny zavatra nolaizanao fa hataonao, sy hamerina hihaino ny tantara alohan'ny andro hivoriantsika indray. Ny mpanentana dia afaka mizara ny tantara an-tsoratra na henoina amin'izay tsy manana izany. Raha handeha isika, ndao hangataka ny Tompo hanampy antsika.

0:00

0:00