¹ ARY rehefa afaka izany zavatra izany, dia nizahan’Andriamanitra toetra Abrahama, ka hoy Izy taminy: Ry Abrahama ô! ary hoy izy: Inty aho. ² Ary hoy Izy: Ento ny zanakao, ny lahitokanao, izay tianao, dia Isaka, ka mankanesa any amin’ny tany Moria; ary atero any izy ho fanatitra dorana ao amin’ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko aminao. ³ Ary nifoha maraina koa Abrahama, dia nanisy lasely ny borikiny ka nitondra zatovony roa lahy koa niaraka taminy sy Isaka zanany; ary namaky ny hazo hataina amin’ny fanatitra dorana izy, dia niainga ka nankany amin’ny tany izay efa nolazain’Andriamanitra taminy. ⁴ Nony tamin’ny andro fahatelo Abrahama dia nanopy ny masony ka nahatazana ny tany tery lavitra ery. ⁵ Ary hoy Abrahama tamin’ny zatovony: Mijanòna eto amin’ny boriky hianareo, fa izaho sy ny zazalahy handeha hankery; ary hivavaka izahay, dia hiverina eto aminareo indray. ⁶ Dia nalain’i Abrahama ny hazo hataina amin’ny fanatitra dorana ka natataony an’Isaka zanany; fa izy kosa nitondra ny afo sy ny antsy teny an-tànany; ary dia niara-nandeha izy mianaka. ⁷ Ary Isaka niteny tamin’i Abrahama rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! dia hoy izy: Inty aho, anaka. Ary hoy izy: Indreto ny afo sy ny kitay; fa aiza kosa izay ondry hatao fanatitra dorana? ⁸ Fa hoy Abrahama: Anaka, Andriamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra dorana; dia niara-nandeha izy mianaka. ⁹ Ary rehefa tonga teo amin’ny tany izay efa nolazain’Andriamanitra taminy izy, dia nanorina ny alitara teo Abrahama ka nandahatra ny kitay; dia namatotra an’Isaka zanany izy ka nametraka azy tambonin’ny alitara teo ambonin’ny kitay. ¹⁰ Ary Abrahama naninjitra ny tànany ka nandray ny antsy mba hamonoany ny zanany. ¹¹ Fa niantso azy Ilay Anjelin’i Jehovah tany an-danitra ka nanao hoe: Ry Abrahama, ry Abrahama ô! ary hoy kosa izy: Inty aho. ¹² Dia hoy Izy: Aza maninjitra ny tànanao amin’ny zazalahy, ary aza maninona azy akory hianao; fa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra hianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao. ¹³ Ary Abrahama niherika nijery, ka, indro, nisy ondrilahy teo ivohony, voasangazotry ny kirihitrala ny tandrony; dia lasa Abrahama ka naka ny ondrilahy ary nanatitra azy ho fanatitra dorana ho solon’ny zanany. ¹⁴ Ary ny anaran’izany tany izany dia nataon’i Abrahama hoe Jehovah-jire; dia izany no anaovana mandraka ankehitriny ny hoe: ,Any an-tendrombohitra no hisehoan’i Jehovah.’ ¹⁵ Dia niantso an’i Abrahama fanindroany any an-danitra Ilay Anjelin’i Jehovah ¹⁶ ka nanao hoe: Ny tenako no nianianako, hoy Jehovah: Satria nanao izany zavatra izany hianao ka tsy niaro ny zanakao, ilay lahitokanao, ¹⁷ dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina; ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony; ¹⁸ ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, –satria nanaiky ny teniko hianao. ¹⁹ Ary Abrahama dia niverina nankeny amin’ny zatovony; dia niainga izy ka niaraka nankany Beri-sheba; ary Abrahama dia nonina tany Beri-sheba.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00