¹ ARY Jehovah niteny tamin’i Mosesy sy Arona teo amin’ny tany Egypta ka nanao hoe: ² Ity volana ity ho voaloham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin’ny taona ho anareo izy. ³ Mitenena hianareo amin’ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka manaova hoe: Amin’ny andro fahafolo amin’ity volana ity dia aoka samy haka zanak’ondry iray avy izy rehetra, araka ny fianakaviany, dia zanak’ondry iray avy no ho an’ny isan-trano;
²¹ Dia nampanalain’i Mosesy ny loholon’ny Isiraely rehetra, ka hoy izy taminy: Mandehana hianareo ka makà ondry ho anareo araka ny fokom-pirenenareo avy, ka vonoy ny Paska. ²² Dia makà hysopa iray fihina, ka atsobohy amin’ny ra izay ao anatin’ny bakoly ary ny ra izay ao anatin’ny bakoly dia anenteno amin’ny tataom-baravarana sy ny tolana roa; ary aza misy mivoaka eo am-baravaran’ny tranonareo avy hianareo ambara-pahamarain’ny andro. ²³ Fa Jehovah handeha hamely ny Egyptiana; ary raha mahita ny ra eo amin’ny tataom-baravarana sy ny tolana roa Jehovah, dia handalo ny varavarana, ka tsy havelany hiditra ao an-tranonareo hamely anareo ny mpandringana. ²⁴ Ary hitandrina izany zavatra izany, hianareo ho lalàna ho anareo sy ho an’ny taranakareo mandrakizay. ²⁵ Ary rehefa tonga any amin’ny tany izay homen’i Jehovah anareo araka izay nolazainy hianareo, dia tandremo izany fanompoana izany. ²⁶ Ary raha hanontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no anton’izao fanompoana ataonareo izao? ²⁷ dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paskan’i Jehovah, Izay nandalo ny tranon’ny Zanak’Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy, fa namonjy ny tao an-tranontsika. Dia niondrika ny olona ka nivavaka. ²⁸ Ary dia nandeha ny Zanak’Isiraely ka nanao izany; araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy sy Arona no nataony. ²⁹ Ary nony namatonalina Jehovah namono ny lahimatoa rehetra tany amin’ny tany Egypta, hatramin’ny lahimatoan’i Farao izay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianany ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo izay tao amin’ny trano-maizina, mbamin’izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra. ³⁰ Ary nifoha raha mbola alina Farao, dia izy sy ny mpanompony rehetra ary ny Egyptiana rehetra, fa nisy fidradradradrana mafy tany Egypta, satria tsy nisy trano izay tsy nahafatesana. ³¹ Dia nampaka an’i Mosesy sy Arona izy, raha mbola alina, ka nanao hoe: Mitsangàna, mialà eto amin’ny vahoakako hianareo sy ny Zanak’Isiraely, ary mandehana ka manompoa an’i Jehovah araka ny nolazainareo.
⁴⁰ Ary ny andro nitoeran’ny Zanak’Isiraely tany Egypta dia telo-polo amby efa-jato taona. ⁴¹ Ary rehefa tapitra ny telo-polo amby efa-jato taona, dia tamin’izany andro izany indrindra no nivoahan’ny antokony rehetra izay an’i Jehovah tamin’ny tany Egypta. ⁴² Alina notandreman’i Jehovah izany, hitondrany azy hivoaka avy tamin’ny tany Egypta; eny, izany alina izany dia an’i Jehovah ka hotandreman’ny Zanak’Isiraely rehetra hatramin’ny taranany fara mandimby.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00