¹⁰ Ary izany taranaka rehetra izany koa dia voangona any amin’ny razany; ary taranaka hafa, izay tsy nahalala an’i Jehovah na ny asa efa nataony ho an’ny Isiraely, no nitsangana nandimby azy. ¹¹ Ary nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah ny Zanak’Isiraely, fa nanompo ireo Bala ¹² ka nahafoy an’i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta, ka nanaraka andriamani-kafa amin’ny andriamanitry ny firenena manodidina azy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an’i Jehovah. ¹³ Eny, nahafoy an’i Jehovah izy ka nanampo an’i Bala sy Astarta. ¹⁴ Dia nirehitra tamin’ny Isiraely ny fahatezeran’i Jehovah, ka natolony teo an-tànan’ny mpamabo izay namabo azy izy, ary namidiny ho eo an-tànan’ny fahavalony manodidina azy ka tsy nahajanona teo anoloan’ny fahavalony intsony. ¹⁵ Na taiza na taiza nivoahany, dia namely azy ny tànan’i Jehovah ka nampahory azy, araka izay efa nolazain’i Jehovah sy araka izay efa nianianany taminy; ka dia ory indrindra izy. ¹⁶ Kanefa Jehovah nanangana mpitsara izay namonjy azy tamin’ny tànan’ireo namabo azy. ¹⁷ Fa na dia ny mpitsara azy aza dia tsy mba nohenoiny, fa nandeha nijangajanga nanaraka andriamani-kafa izy ka niankohoka teo anatrehany; nivily faingana niala tamin’ny làlana izay nandehanan’ny razany nanaraka ny didin’i Jehovah izy, fa tsy mba nanaraka izany. ¹⁸ Ary rehefa nanangana mpitsara ho azy Jehovah, dia nomba izany mpitsara izany Izy ka namonjy ny olona tamin’ny tànan’ny fahavalony tamin’ ny andro rehetra niainan’izany mpitsara izany; fa nalahelo azy Jehovah amin’ny fitarainany noho ireo nampahory sy nampalahelo azy. ¹⁹ Kanjo nony maty ilay mpitsara, dia nanao ratsy indray izy mihoatra noho ny nataon’ny razany, fa nanaraka andriamani-kafa sy nanompo azy ary niankohoka teo anatrehany izy; tsy nitsahatra tamin’ny fanaony na tamin’ny làlana nanaovany ditra izy. ²⁰ Dia nirehitra tamin’ny Isiraely ny fahatezeran’i Jehovah, ka hoy Izy: Satria nivadika ny fanekeko izay nandidiako ny razany ity firenena ity ka tsy nihaino ny feoko, ²¹ dia tsy handroaka olona eo anoloany intsony Aho amin’ny firenena izay tsy mbola resy hatramin’ny andro nahafatesan’i Josoa, ²² mba hizahako toetra ny Isiraely amin’ireny, na hitandrina ny làlan’i Jehovah ka handeha amin’izany araka izay nitandreman’ny razany izany izy, na tsia. ²³ Dia navelan’i Jehovah ireny firenena ireny ka tsy noroahiny faingana; sady tsy voatolony teo an-tànan’i Josoa ireny.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00