Ilay mpanompon'Andriamanitra nampahoriana

Fisakaizana

Raha jerena ny izay nitranga taminao hatramin’ny nihaonantsika farany, inona no zavatra iray isaoranao an’Andriamanitra?
Inona no nanahiran-tsaina anao tamin'ity herinandro ity, ary inona no ilainao mba fanatsarana ny zava-misy?
Inona no zavatra ilain'ny olona ao amin'ny fiaraha-monina misy anao, ary ahoana no ahafahantsika mifanampy amin'ny fiahiana izany?
Inona no tantara tamin'ny fotoana nihaonantsika farany? Inona no nianarantsika mikasika an'Andriamanitra sy ny olona?
Tamin'ny fivoriantsika farany, hanapa-kevitra ianao fa hampihatra ny zavatra nianaranao. Inona no nationao, ary nanao ahoana izany?
Iza no nizaranao zavatra avy amin'ny tantara tamin'ny farany? Ahoana no nasetrin'izy ireo izany?
Nahita zavatra ilaina maromaro Isika tamin'ny fivoriantsika farany ary nanao drafitra hamaliana izany. Nanao ahoana ny fizotrany?
Amin'izao fotoana izao isika dia hamaky ny tantara avy amin'Andriamanitra androany...

Isaia 52: 13-53: 12

¹³ INDRO, ny Mpanompoko ho hita ho hendry, Hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo indrindra. ¹⁴ Fa toy ny nigagan’ny maro Anao (Ny tarehiny dia simba ka hoatra ny tsy tarehin’olombelona akory, Ary ny endriny hoatra ny tsy endriky ny zanak’olombelona), ¹⁵ Dia toy izany no hampihendratrendratany ny firenena maro; Ny mpanjaka hitampim-bava aminy; Fa izay tsy mbola nolazaina tamin’ireny no ho hitany, Ary izay tsy mbola reny akory no hosaintsaininy. ¹ Iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin’i Jehovah? ² Fa naniry teo anatrehany tahaka ny zana-kazo madinika Izy Sy tahaka ny solofon-kazo amin’ny tany karankaina; Tsy nanana endrika na fahatsaran-tarehy Izy; Ary raha nijery Azy isika, dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy. ³ Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy; Lehilahy ory sady zatra ny fahoriana, Ary tahaka izay tsy tian’ny olon-kojerena akory Izy; Natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika. Nitondra ny aretintsika tokoa Izy Sady nivesatra ny fahoriantsika; Kanjo isika kosa nanao Azy ho nokapohina sy nasian’Andriamanitra ary nampahorina. Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika Sy notorotoroina noho ny helotsika, Ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; Ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika. Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, Samy efa nivily ho amin’ny làlantsika avy isika rehetra; Ary nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra. Nampahorina Izy, Nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, Dia tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina, Sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan’ny mpanety azy,– Eny, tsy niloa-bava Izy. Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy; Ary iza tamin’ny niara-belona taminy no nihevitra Fa nofongorana niala tamin’ny tanin’ny velona Izy, Ka ny fahadisoan’ny oloko no nikapohana Azy? Ary nokasaina hatao tao amin’ny olo-meloka ny fasany (Nefa teo amin’ny mpanan-karena Izy, rehefa novonoina), Na dia tsy nanao ratsy aza Izy, Sady tsy nisy fitaka teo am-bavany. ¹⁰ Nefa sitrak’i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, Dia hahita taranaka sady ho maro andro, Ary ny sitrapon’i Jehovah dia hambinina eo an-tànany. ¹¹ Noho ny fisasaran’ny fanahiny dia hahita izany Izy ka ho afa-po; Ny fahalalana Azy no hanamarinan’ny Mpanompoko marina ny olona maro, Ary Izy no hivesatra ny helok’ireo. ¹² Koa dia hanome Azy anjara amin’ny lehibe Aho, ary hizara babo amin’ny mahery Izy; Satria naidiny ho amin’ny fahafatesana ny ainy, Ary natao ho isan’ny mpanota Izy; Eny, Izy no nitondra ny fahotan’ny maro Sady manao fifonana ho an’ny mpanota.

Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.

Fampiharana

Amin'izao fotoana, aoka hisy olona iray hitantara ity andalana ity amin'ny fiteniny manokana, toy ny hoe mitantara izany amin’ny namana mbola tsy nahare mihitsy. Ndeha ampiantsika izy ireo raha zavatra adinony na diso nampidiriny. Raha mitranga izany dia anontaniantsika izy hoe: “Aiza ao amin’ny tantara no ahitana izany?”
Inona no ampianarin'ity tantara ity antsika mikasika an'Andriamanitra, ny toetrany, ary izay ataony?
Inona no ampianarin'ity tantara antsika mikasika ny olombelona, ao anatin'izany koa ny tenantsika?
Ahoana no hampiharanao ny fahamarinana avy amin'ity tantara ity amin'ny fiainanao amin'ity herinandro ity? Inona no hetsika na zavatra manokana hataonao?
Iza no hizaranao ny fahamarinana avy amin'ny tantara alohan'ny hihaonantsika manaraka indray? Mahafantatra olona maniry ny hahafantatra ny tenin'Andriamanitra ato anatin'ity apps ity tahaka antsika ve ianao?
Eto am-pamaranana ny fivoriantsika, ndao hanapa-kevitra hoe rahoviana indray isika no mivory ary iza no hanentana ny fivoriantsika manaraka.
Mampahery anao mba hitadidy tsara ny zavatra nolaizanao fa hataonao, sy hamerina hihaino ny tantara alohan'ny andro hivoriantsika indray. Ny mpanentana dia afaka mizara ny tantara an-tsoratra na henoina amin'izay tsy manana izany. Raha handeha isika, ndao hangataka ny Tompo hanampy antsika.

0:00

0:00