¹ Ny olona izay mandeha amin’ny maizina Dia mahita mazava lehibe; Izay mitoetra amin’ny tany aloky ny fahafatesana No iposahan’ny mazava. ² Hamaroinao ity firenena ity, Ary ampitomboinao ny hafaliany; Mifaly eo anatrehanao izy tahaka ny hafaliana amin’ny fararano, Ary tahaka ny fifalin’ny olona, raha mizara babo. ³ Fa ny bao fitondran-entany Sy ny tsorakazo nikapohana ny lamosiny, Izay tsorakazon’ny mpampiasa azy, Dia tapahinao tahaka ny tamin’ny andro namelezana ny Midiana. ⁴ Fa ny kiraron’izay mitrevatreva fandeha eo amin’ny fihorakorahan’ny ady Sy ny fitafiana mihosin-dra Dia samy hodoroana, eny, ho kitay hatohoka amin’ny afo izany. ⁵ Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, Ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana. ⁶ Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, Mba hampiorenana sy hampitoerana azy Amin’ny rariny sy ny hitsiny Hatramin’izao ka ho mandrakizay; Ny fahasaro-piaron’i Jehovah, Tompon’ny maro, no hahatanteraka izany. ⁷ NY Tompo mandefa teny ho an’i Jakoba, Ka mihatra amin’ny Isiraely izany.
²⁶ ARY tamin’ny fahenim-bolana dia nirahin’Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna anankiray any Galilia atao hoe Nazareta, ²⁷ ho any amin’ny virijina anankiray, izay voafofo ho vadin’ny lehilahy atao hoe Josefa, avy tamin’ny taranak’i Davida; ary ny anaran’ny virijina dia Maria. ²⁸ Ary nony niditra tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao. ²⁹ Ary taitra loatra izy noho ny teniny ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’izany fiarahabana izany. ³⁰ Ary hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin’Andriamanitra hianao. ³¹ Ary, indro, hitoe-jaza hianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe JESOSY. ³² Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy; ³³ ary hanjaka amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana. ³⁴ Ary hoy Maria tamin’ilay anjely: Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho? ³⁵ Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra. ³⁶ Ary, indro, Elizabeta havanao dia efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza; ary efa mandray enina izy izao, izay natao hoe momba. ³⁷ Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’Andriamanitra. ³⁸ Dia hoy Maria: Inty ny ankizivavin’ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. Dia nandao azy ilay anjely.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00