¹ ARY tamin’izany andro izany dia nisy didy navoak’i Aogosto Kaisara hampanoratra ny anaran’ny vahoaka rehetra amin’ny fanjakany. ( ² Izany no fanoratana voalohany natao fony Kyrenio nanapaka tany Syria.) ³ Dia samy nankany amin’ny tanànany avy izy rehetra mba hosoratana. ⁴ Ary Josefa koa niakatra avy tany Galilia, dia avy tao an-tanàna Nazareta, hankany Jodia, ho ao an-tanànan’i Davida, izay atao hoe Betlehema (satria avy tamin’ny taranak’i Davida sy ny mpianakaviny), ⁵ mba hosoratana izy sy Maria fofom-badiny, izay efa bevohoka. ⁶ Ary raha nitoetra teo izy, dia tonga ny andro hahavelomany. ⁷ Ary niteraka ny Lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin’ny fihinanam-bilona; fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny. ⁸ ARY nisy mpiandry ondry tamin’izany tany izany nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin’ny alina. ⁹ Ary nisy anjelin’ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra indrindra izy. ¹⁰ Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra; ¹¹ fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo. ¹² Ary izao no ho famantarana ho anareo: hianareo hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona. ¹³ Ary nisy anjely maro be avy any an-danitra niseho tampoka niaraka tamin’ilay anjely teo ka nidera an’Andriamanitra nanao hoe: ¹⁴ Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany. ¹⁵ Ary tamin’izany rehefa niala teo aminy ireo anjely ireo ka nankany an-danitra, dia niresaka ireo lehilahy mpiandry ondry ka nanao hoe: Andeha isika hankany Betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarin’ny Tompo antsika. ¹⁶ Dia nandeha faingana izy ka nahita an’i Maria sy Josefa, ary ny Zazakely nandry teo am-pihinanam-bilona. ¹⁷ Ary nony efa nahita izy, dia nampiely izay teny nolazaina taminy ny amin’izany Zaza izany. ¹⁸ Ary izay rehetra nandre dia gaga tamin’izay zavatra nolazain’ny mpiandry ondry taminy. ¹⁹ Fa Maria kosa nitadidy izany teny rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony. ²⁰ Ary ny mpiandry ondry niverina nankalaza sy nidera an’Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay reny sy hitany, araka izay nolazaina taminy.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00