Inona no vokatry ny finoana an'i Jesosy?

Fisakaizana

Raha jerena ny izay nitranga taminao hatramin’ny nihaonantsika farany, inona no zavatra iray isaoranao an’Andriamanitra?
Inona no nanahiran-tsaina anao tamin'ity herinandro ity, ary inona no ilainao mba fanatsarana ny zava-misy?
Inona no zavatra ilain'ny olona ao amin'ny fiaraha-monina misy anao, ary ahoana no ahafahantsika mifanampy amin'ny fiahiana izany?
Inona no tantara tamin'ny fotoana nihaonantsika farany? Inona no nianarantsika mikasika an'Andriamanitra sy ny olona?
Tamin'ny fivoriantsika farany, hanapa-kevitra ianao fa hampihatra ny zavatra nianaranao. Inona no nationao, ary nanao ahoana izany?
Iza no nizaranao zavatra avy amin'ny tantara tamin'ny farany? Ahoana no nasetrin'izy ireo izany?
Nahita zavatra ilaina maromaro Isika tamin'ny fivoriantsika farany ary nanao drafitra hamaliana izany. Nanao ahoana ny fizotrany?
Amin'izao fotoana izao isika dia hamaky ny tantara avy amin'Andriamanitra androany...

Jaona 3: 3-21

³ Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra. Hoy Nikodemosy taminy: Hataon’ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka? Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy. Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy. Aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray hianareo. Ny rivotra mitsoka amin’izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy. Nikodemosy namaly ka nanao taminy hoe: Hatao ahoana no hahatonga izany zavatra izany? ¹⁰ Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Hianao va no mpampianatra ny Isiraely ka tsy mahalala izany zavatra izany? ¹¹ Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay; nefa ny fanambaranay tsy raisinareo. ¹² Raha ny zavatra etỳ an-tany aza no nolazaiko taminareo ka tsy inoanareo, ahoana no hinoanareo, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho? ¹³ Ary tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak’olona, Izay any an-danitra. ¹⁴ Ary tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona, ¹⁵ mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy. ¹⁶ Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. ¹⁷ Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao. ¹⁸ Izay mino Azy dia tsy helohina; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran’ny Zanakalahy Tokan’Andriamanitra izy. ¹⁹ Ary izao no fanamelohana, fa tonga amin’izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon’ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany. ²⁰ Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany. ²¹ Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin’Andriamanitra izany.

Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.

Fampiharana

Amin'izao fotoana, aoka hisy olona iray hitantara ity andalana ity amin'ny fiteniny manokana, toy ny hoe mitantara izany amin’ny namana mbola tsy nahare mihitsy. Ndeha ampiantsika izy ireo raha zavatra adinony na diso nampidiriny. Raha mitranga izany dia anontaniantsika izy hoe: “Aiza ao amin’ny tantara no ahitana izany?”
Inona no ampianarin'ity tantara ity antsika mikasika an'Andriamanitra, ny toetrany, ary izay ataony?
Inona no ampianarin'ity tantara antsika mikasika ny olombelona, ao anatin'izany koa ny tenantsika?
Ahoana no hampiharanao ny fahamarinana avy amin'ity tantara ity amin'ny fiainanao amin'ity herinandro ity? Inona no hetsika na zavatra manokana hataonao?
Iza no hizaranao ny fahamarinana avy amin'ny tantara alohan'ny hihaonantsika manaraka indray? Mahafantatra olona maniry ny hahafantatra ny tenin'Andriamanitra ato anatin'ity apps ity tahaka antsika ve ianao?
Eto am-pamaranana ny fivoriantsika, ndao hanapa-kevitra hoe rahoviana indray isika no mivory ary iza no hanentana ny fivoriantsika manaraka.
Mampahery anao mba hitadidy tsara ny zavatra nolaizanao fa hataonao, sy hamerina hihaino ny tantara alohan'ny andro hivoriantsika indray. Ny mpanentana dia afaka mizara ny tantara an-tsoratra na henoina amin'izay tsy manana izany. Raha handeha isika, ndao hangataka ny Tompo hanampy antsika.

0:00

0:00