³⁷ Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika ho Ahy, ary izay tia ny zanani-lahy na ny zanani-vavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika ho Ahy. ³⁸ Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy mendrika ho Ahy. ³⁹ Izay mamonjy ny ainy no hamery azy; ary izay mamery ny ainy noho ny amiko dia hahazo azy.
³⁴ Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin’ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy. ³⁵ Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany. ³⁶ Fa inona no soa azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy? ³⁷ Fa inona no homen’ny olona ho takalon’ny ainy? ³⁸ Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak’olona, raha avy amin’ny voninahitry ny Rainy mbamin’ny anjely masina.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00