³⁶ Koa aoka ho fantatry ny taranak’Isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin’ny hazofijaliana iny dia efa nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy. ³⁷ Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin’i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay? ³⁸ Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; ³⁹ fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an’izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin’i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy. ⁴⁰ Ary nanambara sy nananatra azy tamin’ny teny maro hafa koa izy ka nanao hoe: Aoka hovonjena ho afaka amin’ity taranaka maditra ity hianareo. ⁴¹ Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa: ary tokony ho telo arivo no olona vao nanampy ho isany tamin’izany andro izany.
¹ Nataon’i Davida. Maskila. SAMBATRA ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. ² Sambatra ny olona izay tsy isain’i Jehovah heloka, Ary tsy misy fitaka ny fanahiny. ³ Raha nangina aho, dia nihalany ny taolako rehetra Noho ny fitarainako mandrakariva. ⁴ Fa efa navesatra tamiko andro aman-alina ny tànanao; Niova ny fahatanjahako toy ny azon’ny fahamainana amin’ny lohataona. [Sela.] ⁵ Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho: Hiaiky ny fahadisoako amin’i Jehovah aho; Ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako. [Sela.]
⁹ satria raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao hianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena hianao. ¹⁰ Fa amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava no anekena hahazoana famonjena.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00