¹ INONA ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin’ny ota ihany va isika hitomboan’ny fahasoavana? ² Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin’ny ota ahoana no ho velona aminy ihany? ³ Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany? ⁴ Koa niara-nalevina taminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao.
²⁶ Fa hianareo rehetra dia zanak’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Kristy Jesosy. ²⁷ Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy. ²⁸ Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy.
⁴⁴ Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin’izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina. ⁴⁵ Ary talanjona ny mino isan’ny voafora izay niaraka tamin’i Petera, satria nilatsaka tamin’ny jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina. ⁴⁶ Fa nandre azy niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an’Andriamanitra izy. Dia namaly Petera ka nanao hoe: ⁴⁷ Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa? ⁴⁸ Dia nasainy natao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy izy. Ary nangatahin’ireo mba hitoetra ao aminy andro vitsivitsy izy.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00