³⁶ Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin’ny lalàna? ³⁷ Dia hoy Jesosy taminy: ,,Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra’’ (Deo. 6.5). ³⁸ Izany no didy lehibe sady voalohany. ³⁹ Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: ,,Tiava ny namanao tahaka ny tenanao’’ (Lev. 19.18). ⁴⁰ Izany didy roa izany no ihantonan’ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.
⁴ Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany. ⁵ Ary tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra. ⁶ Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. ⁷ Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha; ⁸ ary fehezo ho famantarana eo amin’ny tànanao ireny, ary aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin’ny handrinao, ⁹ ary soraty eo amin’ny tolam-baravaran’ny tranonao sy eo amin’ny vavahadinao.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00