³⁶ ARY ny Fariseo anankiray nanasa an’i Jesosy hiara-mihinana aminy; ary dia niditra tao an-tranon’ilay Fariseo Izy ka nipetraka nihinana. ³⁷ Ary, indro, nisy vehivavy mpanota tao an-tanàna, ka rehefa fantany fa Jesosy nipetraka nihinana tao an-tranon’ilay Fariseo, dia nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra izy; ³⁸ ary nijanona teo ivohony tanilan’ny tongony izy ka nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin’ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ny volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra azy tamin’ny menaka manitra. ³⁹ Ary nony nahita izany ilay Fariseo nanasa Azy, dia nanao anakampo hoe: Raha mpaminany Ity, dia ho nahalala io vehivavy manendry Azy io sy ny toeny; fa mpanota io. ⁴⁰ Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ry Simona, manan-kolazaina aminao Aho. Dia hoy izy: Lazao ary, Mpampianatra ô. ⁴¹ Nisy roa lahy nananan’ny mpampanàna vola anankiray trosa: ny iray nananany denaria diman-jato, ary ny iray kosa dimam-polo. ⁴² Ary raha tsy nanan-kaloa izy roa lahy, dia samy navelany. Koa iza moa amin’ireo no ho tia azy indrindra? ⁴³ Simona namaly ka nanao hoe: Ataoko fa ilay namoizany be. Dia hoy Izy taminy: Marina ny hevitrao. ⁴⁴ Ary Jesosy nitodika nijery an-dravehivavy ka nanao tamin’i Simona hoe: Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho; nefa tsy mba nanome Ahy rano hanasana ny tongotro hianao; fa izy kosa nahakotsa ny tongotro tamin’ny ranomasony, dia namaoka azy tamin’ny volon-dohany. ⁴⁵ Tsy mba nanoroka Ahy akory hianao; fa izy, hatr’izay nidirako, dia tsy mbola nitsahatra nanoroka fatratra ny tongotro. ⁴⁶ Ny lohako tsy mba nohosoranao diloilo akory; fa izy kosa nanoso-menaka manitra ny tongotro. ⁴⁷ Ary amin’izany dia lazaiko aminao: Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy; fa izay voavela tamin’ny kely dia kely fitiavana. ⁴⁸ Dia hoy Izy tamin-dravehivavy: Voavela ny helokao. ⁴⁹ Ary izay niara-nipetraka nihinana teo aminy dia niresaka hoe: Iza moa Ity no mba mamela heloka? ⁵⁰ Ary hoy Izy tamin-dravehivavy: Ny finoanao efa namonjy anao; mandehana soa aman-tsara.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00