³ Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin’i Kristy amin’ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra, ⁴ araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika, ⁵ rehefa notendreny rahateo amin’ny fitiavana isika mba ho Azy amin’ny fananganan-anaka amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan’ny fony, ⁶ ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin’ny Malala. ⁷ Izy no ananantsika fanavotana amin’ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ny fahasoavany, ⁸ izay nataony be ho antsika tamin’ny fahendrena sy ny fisainana rehetra,
²⁶ Fa hianareo rehetra dia zanak’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Kristy Jesosy. ²⁷ Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy. ²⁸ Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy. ²⁹ Fa raha an’i Kristy hianareo, dia taranak’i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana. ¹ Ary hoy izaho: Raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny andevo izy, na dia tompon’ny zavatra rehetra aza; ² fa fehezin’izay mpitondra sy mpitaiza azy izy mandra-pahatongan’ny fetr’andro voatendrin’ny rainy. ³ Dia tahaka izany koa isika, fony mbola zaza, dia nandevozin’ny abidim-pianaran’izao tontolo izao; ⁴ fa rehefa tonga ny fotoan’andro, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin’ny lalàna, ⁵ hanavotany izay ambanin’ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganan-anaka. ⁶ Ary satria zanaka hianareo, dia nirahin’Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô. ⁷ Ka dia tsy mpanompo intsony hianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon’Andriamanitra.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00