⁷ Tsy misy tsiny ny lalàn’i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; Mahatoky ny teni-vavolombelon’i Jehovah, mahahendry ny kely saina. ⁸ Mahitsy ny fandidian’i Jehovah, mahafaly ny fo; Madio ny didin’i Jehovah, mampahazava ny maso. ⁹ Madio ny fahatahorana an’i Jehovah, maharitra mandrakizay; Marina ny fitsipik’i Jehovah, eny, mahitsy avokoa. ¹⁰ Irina noho ny volamena ireny, Eny, noho ny tena volamena betsaka aza; Ary mamy noho ny tantely, Eny, noho ny tantely mitete avy amin’ny tohotra. ¹¹ Ary ny mpanomponao dia hazavain’ireny; Amin’ny fitandremana azy misy valiny lehibe. ¹² Raha ny fahatsontsana, dia iza re no mahalala izany? Ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin’izay ota tsy fantatra. ¹³ Arovy ny mpanomponao tsy ho azon’ny ota sahisahy; Aoka tsy hanapaka ahy izany; Dia ho marina tokoa aho ka tsy hanan-tsiny ny amin’izay fahadisoana lehibe. ¹⁴ Aoka ny tenin’ny vavako sy ny fisainan’ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy.
²⁴ Koa amin’izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin’ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy. ²⁵ Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy, satria efa naorina teo ambonin’ny vatolampy. ²⁶ Fa izay rehetra mandre izany teniko izany, nefa tsy mankatò azy, dia hoharina amin’ny lehilahy adala, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika. ²⁷ Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; dia nianjera izy, ka loza ny fianjerany.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00