²⁶ Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin’ny fitarainana tsy azo tononina. ²⁷ Ary Izay mandinika ny fo no mahalala, izay hevitry ny Fanahy, satria araka an’Andriamanitra ny fifonany ho an’ny olona masina. ²⁸ Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo, ²⁹ satria izay fantany rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin’ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy. ³⁰ Ary izay notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa. ³¹ Inona ary no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? ³² Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra? ³³ Iza no hiampanga ny olom-boafidin’Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy. ³⁴ Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin’ny maty koa ka mitoetra eo amin’ny tànana ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika. ³⁵ Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra? ³⁶ Araka ny voasoratra hoe: ,,Fa noho ny aminao no namonoana anay mandrakariva; Toy ny ondry hovonoina no fijery anay’’ (Sal. 44.22). ³⁷ Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika. ³⁸ Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, ³⁹ na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00