²⁵ Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy, ²⁶ mba hahamasina azy amin’ny anadiovany azy amin’ny rano fanasana amin’ny teny; ²⁷ mba horaisiny ho an’ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy. ²⁸ Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. ²⁹ Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an’i Kristy amin’ny fiangonana; ³⁰ fa momba ny tenany isika. ³¹ ,,Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin’ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa’’ (Gen. 2.24). ³² Zava-miafina lehibe izany; fa milaza ny amin’i Kristy sy ny fiangonana aho.
⁶ Dia nahare feo tahaka ny an’ny vahoaka betsaka aho, sy tahaka ny firohondrohon’ny rano be, ary tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy, nanao hoe: Haleloia! Fa ny Tompo Andriamanitsika, dia ny Tsitoha, no Mpanjaka. ⁷ Aoka isika hifaly sy ho ravoravo Ka hanome voninahitra Azy; Fa tonga ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry, Ka efa niomana ny vadiny. ⁸ Ary nasaina nitafy rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka izy; fa izany rongony fotsy madinika izany dia ny asa marina ataon’ny olona masina. ⁹ Ary hoy koa izy tamiko: Soraty: Sambatra izay nantsoina ho amin’ny fanasana fampakaram-badin’ny Zanak’ondry. Fa hoy izy tamiko: Ireo dia teny marin’Andriamanitra.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00