⁴⁶ ARY raha mbola niteny tamin’ny vahoaka Jesosy, indreo, ny reniny mbamin’ny rahalahiny nijanona teo ala-trano nitady hiteny aminy. ⁴⁷ Ary nisy anankiray nanao taminy hoe: Indreo, ny reninao mbamin’ny rahalahinao mijanona ato ala-trano mitady hiteny aminao. ⁴⁸ Fa namaly Izy ka nanao tamin’ilay nilaza taminy hoe: Iza moa no reniko, ary iza no rahalahiko? ⁴⁹ Ary naninjitra ny tànany nanondro ny mpianany Izy ka nanao hoe: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko; ⁵⁰ Fa na iza na iza no hanao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.
³ Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin’i Kristy amin’ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra, ⁴ araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika, ⁵ rehefa notendreny rahateo amin’ny fitiavana isika mba ho Azy amin’ny fananganan-anaka amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan’ny fony, ⁶ ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin’ny Malala. ⁷ Izy no ananantsika fanavotana amin’ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ny fahasoavany, ⁸ izay nataony be ho antsika tamin’ny fahendrena sy ny fisainana rehetra, ⁹ rehefa nampahafantariny ny zava-miafina ny amin’ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain’ny tenany, ¹⁰ hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, dia ho ao aminy;
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00