Ny fiangonana dia miombona

Fisakaizana

Raha jerena ny izay nitranga taminao hatramin’ny nihaonantsika farany, inona no zavatra iray isaoranao an’Andriamanitra?
Inona no nanahiran-tsaina anao tamin'ity herinandro ity, ary inona no ilainao mba fanatsarana ny zava-misy?
Inona no zavatra ilain'ny olona ao amin'ny fiaraha-monina misy anao, ary ahoana no ahafahantsika mifanampy amin'ny fiahiana izany?
Inona no tantara tamin'ny fotoana nihaonantsika farany? Inona no nianarantsika mikasika an'Andriamanitra sy ny olona?
Tamin'ny fivoriantsika farany, hanapa-kevitra ianao fa hampihatra ny zavatra nianaranao. Inona no nationao, ary nanao ahoana izany?
Iza no nizaranao zavatra avy amin'ny tantara tamin'ny farany? Ahoana no nasetrin'izy ireo izany?
Nahita zavatra ilaina maromaro Isika tamin'ny fivoriantsika farany ary nanao drafitra hamaliana izany. Nanao ahoana ny fizotrany?
Amin'izao fotoana izao isika dia hamaky ny tantara avy amin'Andriamanitra androany...

Jaona 17: 9-26

Izaho mangataka ho azy; tsy mangataka ho an’izao tontolo izao Aho, fa ho an’izay nomenao Ahy, satria Anao izy. ¹⁰ Ary izay Ahy rehetra dia Anao; ary izay Anao dia Ahy; ary efa ankalazaina eo aminy Aho. ¹¹ Ary tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony Aho, fa izy ireto no ho eto amin’izao tontolo izao, ary Izaho mankany aminao. Ray masina ô, tehirizo ireo amin’ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika. ¹² Raha mbola teo aminy Aho, dia nitahiry azy tamin’ny anaranao izay nomenao Ahy; ary notandremako izy, ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany; mba hahatanteraka ny Soratra Masina. ¹³ Fa ankehitriny mankany aminao Aho; ary izany teny izany no lazaiko eto amin’izao tontolo izao, mba hananany ny fifaliako tanteraka ao aminy. ¹⁴ Efa nomeko azy ny teninao; ary halan’izao tontolo izao izy, satria tsy naman’ izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman izao tontolo izao. ¹⁵ Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy. ¹⁶ Tsy naman’ izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’ izao tontolo izao. ¹⁷ Manamasìna azy amin’ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana. ¹⁸ Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin’izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin’izao tontolo izao. ¹⁹ Ary ho an’ireto no anamasinako ny tenako, mba hanamasinan’ny fahamarinanao azy. ²⁰ Nefa tsy ho an’ireto ihany no angatahako, fa ho an’izay mino Ahy koa noho ny teniny; ²¹ mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan’izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy. ²² Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika: ²³ Izaho ao aminy, ary Hianao ato amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr’izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy. ²⁴ Ray ô, tiako mba ho any amiko amin’izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao. ²⁵ Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao; fa Izaho nahalala Anao, ary ireto efa mahalala fa Hianao no naniraka Ahy. ²⁶ Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy.

Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.

Fampiharana

Amin'izao fotoana, aoka hisy olona iray hitantara ity andalana ity amin'ny fiteniny manokana, toy ny hoe mitantara izany amin’ny namana mbola tsy nahare mihitsy. Ndeha ampiantsika izy ireo raha zavatra adinony na diso nampidiriny. Raha mitranga izany dia anontaniantsika izy hoe: “Aiza ao amin’ny tantara no ahitana izany?”
Inona no ampianarin'ity tantara ity antsika mikasika an'Andriamanitra, ny toetrany, ary izay ataony?
Inona no ampianarin'ity tantara antsika mikasika ny olombelona, ao anatin'izany koa ny tenantsika?
Inona no ianarantsika amin'ity tantara ity mikasika ny maha fiangonana?
Ahoana no hampiharanao ny fahamarinana avy amin'ity tantara ity amin'ny fiainanao amin'ity herinandro ity? Inona no hetsika na zavatra manokana hataonao?
Iza no hizaranao ny fahamarinana avy amin'ny tantara alohan'ny hihaonantsika manaraka indray? Mahafantatra olona maniry ny hahafantatra ny tenin'Andriamanitra ato anatin'ity apps ity tahaka antsika ve ianao?
Eto am-pamaranana ny fivoriantsika, ndao hanapa-kevitra hoe rahoviana indray isika no mivory ary iza no hanentana ny fivoriantsika manaraka.
Mampahery anao mba hitadidy tsara ny zavatra nolaizanao fa hataonao, sy hamerina hihaino ny tantara alohan'ny andro hivoriantsika indray. Ny mpanentana dia afaka mizara ny tantara an-tsoratra na henoina amin'izay tsy manana izany. Raha handeha isika, ndao hangataka ny Tompo hanampy antsika.

0:00

0:00