⁴² Fa Jesosy niantso azy hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Fantatrareo fa izay eken’ny jentilisa ho mpanapaka dia mampanompo azy, ary ny lehibeny dia mifehy azy. ⁴³ Fa tsy mba toy izany aminareo; fa na iza na iza no te-ho lehibe eo aminareo, dia ho mpanompo anareo izy. ⁴⁴ Ary na iza na iza no te-ho ambony eo aminareo, dia ho mpanompon’izy rehetra. ⁴⁵ Fa ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
⁴ Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany. ⁵ Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany. ⁶ Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin’ny olona rehetra. ⁷ Ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana ny Fanahy hahasoa. ⁸ Fa ny anankiray nomen’ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany, ⁹ ary ny anankiray finoana, amin’izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin’izany Fanahy iray izany ihany, ¹⁰ ary ny anankiray ny manao fahagagana, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin’ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra. ¹¹ Ireo rehetra ireo dia asan’ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00