¹² Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ny Ray. ¹³ Ary na inona na inona no hangatahinareo amin’ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin’ny Zanaka. ¹⁴ Raha mangataka zavatra amiko amin’ny anarako hianareo, dia hataoko izany.
¹² ARY ny tànan’ny Apostoly no nanaovana famantarana sy fahagagana maro teo amin’ny vahoaka; ary izy rehetra niray saina teo amin’ny Fialofan’i Solomona; ¹³ ary tsy nisy tamin’ny olona sisa rehetra sahy niray taminy; nefa nankalaza azy ny vahoaka. ¹⁴ Ary vao mainka nisy olona maro koa na lahy na vavy izay nino ny Tompo nanampy ho isany; ¹⁵ ka dia nentiny teny an-dàlambe aza ny marary ka napetrany teny ambony farafara sy fandriana, mba hisy ho azon’ny tandindon’i Petera ahay, raha mandalo izy. ¹⁶ Ary ny olona maro avy tamin’ny vohitra manodidina an’i Jerosalema dia nivory koa, nitondra ny marary sy izay nampahorin’ny fanahy maloto; dia sitrana avokoa izy rehetra. ¹⁷ ARY nitsangana ny mpisoronabe mbamin’ny namany rehetra (izay antokon’ny Sadoseo), fa feno fialonana izy, ¹⁸ dia nisambotra ny Apostoly izy ka nanao azy tao an-trano-maizina. ¹⁹ Fa nisy anjelin’ny Tompo namoha ny varavaran’ny trano-maizina nony alina, dia nitondra azy nivoaka ka nanao hoe: ²⁰ Mandehana, ka mitsangàna, ary mitoria amin’ny vahoaka eo an-kianjan’ny tempoly ny teny rehetra milaza izany fiainana izany. ²¹ Ary rehefa nandre izany izy, dia niditra maraina koa teo an-kianjan’ny tempoly ka nampianatra. Ary rehefa tonga ny mpisoronabe sy ny namany, dia nampiangona ny Synedriona sy ny loholona rehetra tamin’ny Zanak’Isiraely izy ka naniraka nankao amin’ny trano-maizina haka ny Apostoly. ²² Fa nony tonga ny mpiandry raharaha, dia tsy nahita azy tao an-trano-maizina; dia niverina izy ka nilaza hoe: ²³ Ny trano-maizina dia hitanay mihidy tsara, ary ny mpiambina mitsangana eo am-baravarana; kanefa nony novohanay, dia tsy nahita olona tao izahay. ²⁴ Ary ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly sy ny lohan’ny mpisorona, rehefa nandre izany teny izany, dia niroahana ny amin’izay ho faran’izany. ²⁵ Dia nisy tonga ka nilaza taminy hoe: Ireny lehilahy izay nataonareo tao an-trano-maizina ireny, dia indreo izy mitsangana eo an-kianjan’ny tempoly ka mampianatra ny olona. ²⁶ Dia lasa ny lehiben’ny mpiambina sy ny mpiandry raharaha ka nitondra azy, nefa tsy nanao mahery, satria natahotra ny vahoaka izy, fandrao hotorahany vato. ²⁷ Ary rehefa nentiny, dia napetrany teo anatrehan’ny Synedriona ireo, ary ny mpisoronabe nanontany azy ²⁸ ka nanao hoe: Efa noraranay mafy dia mafy hianareo tsy hampianatra amin’izany anarana izany; kanjo, indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema, ka tianareo hankinina aminay ny ran’izany Lehilahy izany. ²⁹ Fa Petera sy ny Apostoly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00