⁶ Fa izao no lazaiko: Izay mamafy kely, dia kely no hojinjany; fa izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany. ⁷ Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ny fony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena; fa ,,ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra’’ (Oha. 22.8, LXX.). ⁸ Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin’ny zavatra rehetra, ka hitombo amin’ny asa tsara rehetra; ⁹ araka ny voasoratra hoe: ,,Namafy izy, eny, nanome ho an’ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay’’ (Sal. 112.9). ¹⁰ Ary Izay manome voa ho an’ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo, ¹¹ dia hanan-karena amin’ny zavatra rehetra hianareo ka handroso amin’ny hitsim-po, izay mahatonga ny fisaoranay an’Andriamanitra. ¹² Fa ny fanaovana izany fanompoam-pivavahana izany dia tsy mahafaka ny alahelon’ny olona masina ihany, fa mahabe ny fisaoran’ny maro an’Andriamanitra koa, ¹³ satria ny fizahan-toetra anareo amin’izany fanompoana izany no ankalazany an’Andriamanitra noho ny fitananareo tsara ny fanekenareo ny filazantsaran’i Kristy sy noho ny fahazotoanareo amin’ny fiantrana ho azy sy ho an’ny olona rehetra; ¹⁴ ary amin’ny fangatahany ho anareo dia manina anareo izy noho ny haben’ny fahasoavan’Andriamanitra aminareo. ¹⁵ Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy azo tononina.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00