¹ ARY tamin’izany Jesosy dia niteny tamin’ny vahoaka sy tamin’ny mpianany ka nanao hoe: ² Eo amin’ny fipetrahan’i Mosesy no ipetrahan’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; ³ koa amin’izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao. ⁴ Eny, mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin’ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin’ny rantsan-tànany anankiray aza. ⁵ Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan’ny olona; fa ataony lehibe ny filakiterany, ary ataony vaventy ny somotraviaviny. ⁶ Ary tia ny fitoerana aloha eo amin’ny fanasana izy, sy ny fipetrahana aloha eo amin’ny synagoga ⁷ sy ny hoharabain’ny olona eny an-tsena ary ny hataon’ny olona hoe: Raby ô! ⁸ Fa hianareo kosa aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no Mpampianatra anareo, ary hianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa. ⁹ Ary aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra. ¹⁰ Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika hianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy. ¹¹ Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo. ¹² Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00