Inona no ataon'ny mpitarika ratsy?

Fisakaizana

Raha jerena ny izay nitranga taminao hatramin’ny nihaonantsika farany, inona no zavatra iray isaoranao an’Andriamanitra?
Inona no nanahiran-tsaina anao tamin'ity herinandro ity, ary inona no ilainao mba fanatsarana ny zava-misy?
Inona no zavatra ilain'ny olona ao amin'ny fiaraha-monina misy anao, ary ahoana no ahafahantsika mifanampy amin'ny fiahiana izany?
Inona no tantara tamin'ny fotoana nihaonantsika farany? Inona no nianarantsika mikasika an'Andriamanitra sy ny olona?
Tamin'ny fivoriantsika farany, hanapa-kevitra ianao fa hampihatra ny zavatra nianaranao. Inona no nationao, ary nanao ahoana izany?
Iza no nizaranao zavatra avy amin'ny tantara tamin'ny farany? Ahoana no nasetrin'izy ireo izany?
Nahita zavatra ilaina maromaro Isika tamin'ny fivoriantsika farany ary nanao drafitra hamaliana izany. Nanao ahoana ny fizotrany?
Amin'izao fotoana izao isika dia hamaky ny tantara avy amin'Andriamanitra androany...

Ezekiela 34: 1-16

¹ ARY tonga tamiko ny tenin’i Jehovah nanao hoe: ² Ry zanak’olona, maminania ny hamelezana ny mpiandry ny Isiraely, eny, maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Lozan’ny mpiandry ondrin’ny Isiraely izay mamahan-tena! Moa tsy ny ondry va no tokony handrasan’ny mpiandry? ³ Ny taviny dia haninareo, ary ny volony tafinareo, ny nafahy vonoinareo; nefa ny ondry tsy mba andrasanareo. Tsy manatanjaka ny malemy hianareo, na manasitrana ny marary, na manamatra ny folaka, na mampody ny noroahina, na mikatsaka ny very; fa loza loatra ny fampanomponareo azy. Dia miely izy, satria tsy misy mpiandry; ary rehefa miely izy, dia tonga rembin’ny bibi-dia rehetra. Mirenireny eny an-tendrombohitra sy eny amin’ny havoana andrandraina rehetra ny ondriko; eny, any amin’ny tany rehetra no ielezan’ny ondriko, ary tsy misy mitady na miahy azy. Koa mihainoa ny tenin’i Jehovah hianareo, ry mpiandry ondry: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, noho ny nahababoan’ny ondriko sy ny nahatongavan’ny ondriko ho rembin’ny bibi-dia rehetra, satria tsy nisy mpiandry azy, fa tsy nitady ny ondriko ny mpiandry, fa ny mamahan-tena kosa no ataony, ka tsy namahana ny ondriko,– dia mihainoa ny tenin’i Jehovah hianareo, ry mpiandry ondry. ¹⁰ Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely ny mpiandry ondry Aho, dia hampamoahiko ny amin’ny ondriko izy ka hesoriko tsy hiandry ny ondry intsony; dia tsy hamahan-tena intsony ny mpiandry ondry, fa hovonjeko eo amin’ny vavany ny ondriko mba tsy ho azony hohanina intsony. ¹¹ Fa izao no lazain’i Jehovah Tompo: Indro, Izaho, eny, Izaho no hiahy ny ondriko sy handinidinika azy. ¹² Toy ny fandinidiniky ny mpiandry ny ondriny amin’izay andro hahatratrarany ny ondriny izay efa niely, dia toy izany no handinidinihako ny ondriko sy hamonjeko azy avy any amin’izay rehetra efa nielezany tamin’ny andro mandrahona sy maizim-pito. ¹³ Ary ho entiko mivoaka avy any amin’ny firenena izy ka hangoniko avy any amin’ny tany samy hafa, dia ho entiko ho any amin’ny taniny sy handrasako eny an-tendrombohitry ny Isiraely sy eny an-dohasahan-driaka izy ary eny amin’izay tsara honenana rehetra eran’ny tany. ¹⁴ Eny amin’ny tany tsara ho fiandrasana no hiandrasako azy, ary eny an-tendrombohitra avon’ny Isiraely no ho tany hiandrasana azy; ao no handriany amin’ny tany tsara, ary eny amin’ny fiandrasana tsara ahitra no hihinanany, dia any an-tendrombohitry ny Isiraely. ¹⁵ Izaho no hiandry ny ondriko, ary Izaho no hampandry azy, hoy Jehovah Tompo. ¹⁶ Ny very hotadiaviko, ny voaroaka hampodiko, ny folaka hohamarako, ny malemy hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa dia haringako ka handrasako amin’ny fitsarana.

Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.

Fampiharana

Amin'izao fotoana, aoka hisy olona iray hitantara ity andalana ity amin'ny fiteniny manokana, toy ny hoe mitantara izany amin’ny namana mbola tsy nahare mihitsy. Ndeha ampiantsika izy ireo raha zavatra adinony na diso nampidiriny. Raha mitranga izany dia anontaniantsika izy hoe: “Aiza ao amin’ny tantara no ahitana izany?”
Inona no ampianarin'ity tantara ity antsika mikasika an'Andriamanitra, ny toetrany, ary izay ataony?
Inona no ampianarin'ity tantara antsika mikasika ny olombelona, ao anatin'izany koa ny tenantsika?
Inona no ianarantsika amin'ity tantara ity mikasika ny maha mpitarika?
Ahoana no hampiharanao ny fahamarinana avy amin'ity tantara ity amin'ny fiainanao amin'ity herinandro ity? Inona no hetsika na zavatra manokana hataonao?
Iza no hizaranao ny fahamarinana avy amin'ny tantara alohan'ny hihaonantsika manaraka indray? Mahafantatra olona maniry ny hahafantatra ny tenin'Andriamanitra ato anatin'ity apps ity tahaka antsika ve ianao?
Eto am-pamaranana ny fivoriantsika, ndao hanapa-kevitra hoe rahoviana indray isika no mivory ary iza no hanentana ny fivoriantsika manaraka.
Mampahery anao mba hitadidy tsara ny zavatra nolaizanao fa hataonao, sy hamerina hihaino ny tantara alohan'ny andro hivoriantsika indray. Ny mpanentana dia afaka mizara ny tantara an-tsoratra na henoina amin'izay tsy manana izany. Raha handeha isika, ndao hangataka ny Tompo hanampy antsika.

0:00

0:00