⁴ fa fantatray, ry rahalahy malalan’Andriamanitra, ny fifidianana anareo, ⁵ fa ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin’ny teny ihany, fa tamin’ny hery koa sy ny Fanahy Masina ary ny fahatokiana be, araka ny ahafantaranareo izay toetry ny fitondrantenanay teo aminareo noho ny aminareo. ⁶ Ary hianareo efa nanahaka anay sy ny Tompo, satria nandray ny teny tamin’ny fahoriana be mbamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina ⁷ ka dia tonga fianarana ho an’ny mino rehetra any Makedonia sy Akaia hianareo.
¹ Fa ny tenanareo, ry rahalahy, dia mahalala fa tsy foana ny fidiranay tatỳ aminareo; ² fa rehefa nampahorina sy nisetrasetrana tany Filipy izahay teo aloha, tahaka ny fantatrareo ihany, dia sahy tao amin’Andriamanitray izahay hiteny taminareo ny filazantsaran’Andriamanitra, na dia be aza ny fanoherana. ³ Fa ny fananaranay dia tsy avy amin’ny fitaka, na ny fahalotoana, na ny soloky. ⁴ Fa tahaka ny nankasitrahan’Andriamanitra anay, ka notolorana ny filazantsara ho adidinay izahay, dia araka izany koa no itenenanay, tsy toy ny mila sitraka amin’olona, fa amin’Andriamanitra, Izay mizaha toetra ny fonay. ⁵ Fa tsy nanao teny mandrobo akory izahay na oviana na oviana; tahaka ny fantatrareo ihany, na nihatsaravelatsihy hanafina fieremana (Andriamanitra no vavolombelona); ⁶ ary tsy nitady voninahitra tamin’olona izahay, na taminareo, na tamin’ny sasany, na dia nanam-pahefana hahavaky tratra aza izahay, araka izay mah’Apostolin’i Kristy anay. ⁷ Fa nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany, ⁸ dia toy izany no nahazoto anay, noho ny fitiavanay anareo indrindra, hanome anareo, tsy ny filazantsaran’Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay hianareo. ⁹ Fa tsaroanareo, ry rahalahy, ny fikelezanay aina sy ny fisasaranay; fa niasa andro aman-alina, mba tsy hahavaky tratra na dia olona iray akory taminareo aza, no nitorianay ny filazantsaran’Andriamanitra taminareo. ¹⁰ Hianareo no vavolombelona ary Andriamanitra koa fa masina sy marina ary tsy nanan-tsiny tokoa ny fitondrantenanay teo imasonareo izay mino, ¹¹ toy ny fantatrareo fa tahaka ny ray amin’ny zanaka no namporisihanay sy nampiononanay anareo isam-batana sy nananaranay mafy anareo, ¹² mba handehananareo mendrika an’Andriamanitra, Izay miantso anareo ho amin’ny fanjakany sy ny voninahiny.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00