¹ KOA hianao, anaka, dia aoka hihahery amin’ny fahasoavana izay ao amin’i Kristy Jesosy. ² Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan’ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa. ³ Miaraha miaritra ny mafy amiko hianao tahaka ny miaramila tsaran’i Kristy Jesosy. ⁴ Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao, mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila– ⁵ Ary raha misy manezaka amin’ny filalaovana, dia tsy satrohana satroboninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalàna. ⁶ Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra. ⁷ Diniho izay lazaiko, fa homen’ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin’ny zavatra rehetra hianao.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00