¹⁷ ARY raha tany Mileto Paoly, dia naniraka hankany Efesosy izy ka nampaka ny loholon’ ny fiangonana hankeo aminy. ¹⁸ Ary nony tonga teo aminy ireo, dia hoy izy taminy: Fantatrareo hatramin’ny andro voalohany nahatongavako teto Asia izay toetry ny fitondrantenako taminareo tamin’izany andro rehetra izany, ¹⁹ dia ny nanompoako ny Tompo tamin’ny fanetren-tena rehetra sy ny ranomaso ary ny fakam-panahy izay nanjo ahy tamin’ny fanotrehan’ny Jiosy, ²⁰ ka tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason’ny olona ary tao amin’ny isan-trano; ²¹ ary nambarako tamin’ny Jiosy sy ny jentilisa koa ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Kristy Tompontsika. ²² Ary ankehitriny, indro, tery am-panahy hankany Jerosalema aho, nefa tsy fantatro izay hanjo ahy any, ²³ afa-tsy izay ambaran’ny Fanahy Masina amiko amin’ny isan-tanàna, fa hisy famatorana sy fahoriana hanjo ahy. ²⁴ Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra. ²⁵ Ary, indro, ankehitriny fantatro fa tsy hahita ny tavako intsony hianareo rehetra izay nalehako nitoriako ny fanjakana. ²⁶ Koa manambara aminareo aho anio fa afaka amin’ny ranareo rehetra aho. ²⁷ Fa tsy nafeniko anareo, fa notoriko taminareo avokoa ny saina rehetra natolotr’Andriamanitra. ²⁸ Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny fiangonan’ Andriamanitra, izay novidiny tamin’ny rany. ²⁹ Fantatro fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny ondry. ³⁰ Ary avy aminareo no hiposahan’ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy. ³¹ Koa miambena, ary tsarovy fa telo taona mipaka aho tsy nitsahatra nananatra anareo rehetra andro aman-alina tamin’ny ranomaso. ³² Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin’Andriamanitra sy ho amin’ny tenin’ny fahasoavany, izay mahay mampandroso sy manome lova anareo eo amin’izay rehetra nohamasinina. ³³ Tsy mba naniry volafotsy na volamena na lamban’olona aho. ³⁴ Fa fantatrareo ihany fa ireto tànako ireto no niasa mba hahazoako sy ny niaraka tamiko izay nilainay. ³⁵ Efa nasehoko anareo tamin’ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa hianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin’i Jesosy Tompo, izay manao hoe: ,Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.’ ³⁶ Ary rehefa niteny izany izy, dia nandohalika teo ka niara-nivavaka tamin’izy rehetra. ³⁷ Ary nitomany mafy izy rehetra, dia namihina ny vozon’i Paoly ka nanoroka azy, ³⁸ sady nalahelo loatra noho ny nilazany fa tsy hahita ny tavany intsony izy. Dia nanatitra azy teny an-tsambo izy.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00