²¹ Ary rehefa nitory ny filazantsara tamin’izany tanàna izany izy ka nahazo mpianatra maro, dia niverina nankany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia indray izy, ²² nampahery ny fanahin’ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin’ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin’ny fahoriana be no idirantsika amin’ny fanjakan’Andriamanitra. ²³ Ary rehefa nanendry loholona teo amin’ny isam-piangonana izy, dia nivavaka sady nifady hanina ka dia nanolotra azy ho an’ny Tompo Izay efa ninoany.
¹⁷ ARY raha tany Mileto Paoly, dia naniraka hankany Efesosy izy ka nampaka ny loholon’ ny fiangonana hankeo aminy.
²⁸ Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny fiangonan’ Andriamanitra, izay novidiny tamin’ny rany.
¹ PAOLY sy Timoty, mpanompon’i Kristy Jesosy, mamangy ny olona masina rehetra ao amin’i Kristy Jesosy mbamin’ny mpitandrina sy ny diakona izay any Filipy: ² ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. ³ Misaotra an’Andriamanitra amin’ny fahatsiarovako anareo ⁴ mandrakariva aho amin’ny fivavahako rehetra ho anareo rehetra, ka mangataka amin’ny fifaliana, ⁵ noho ny firaisanareo hampandroso ny filazantsara hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny; ⁶ ary matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin’ny andron’i Jesosy Kristy;
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00