¹¹ KOA tsarovy fa fahiny hianareo izay jentilisa araka ny nofo, ka nolazain’ny voaforan-tànana, teo amin’ny nofo hoe ,tsy voafora’– ¹² eny, tsarovy fa tamin’izany andro izany dia tsy nanana an’i Kristy hianareo, fa olon-ko azy tamin’ny fanjakan’ny Isiraely ary vahiny tamin’ireo faneken’ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao; ¹³ fa ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesosy, hianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken’ny ran’i Kristy. ¹⁴ Fa Izy no fihavanantsika, Izay naha-iray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana, ¹⁵ fa tao amin’ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin’ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana, ¹⁶ ary hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin’Andriamanitra noho ny hazofijaliana, izay namonoany ny fandrafiana. ¹⁷ Ary tonga Izy ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana taminareo izay lavitra ary fihavanana tamin’izay akaiky koa. ¹⁸ Fa Izy no ananantsika roa tonta fanatonana amin’ny Fanahy iray ho any amin’ny Ray. ¹⁹ Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony hianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ny olona masina sady ankohonan’Andriamanitra, ²⁰ natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra; ²¹ ao aminy no irafetan’ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin’ny Tompo. ²² Ary ao aminy no miaraka aorina koa hianareo ho fonenan’Andriamanitra amin’ny Fanahy.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00