²³ Ary rehefa nalefa izy roa lahy, dia tonga teo amin’ny namany ka nanambara izay rehetra nolazain’ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona taminy. ²⁴ Fa rehefa nandre izany izy ireo, dia niara-nanandratra ny feony ho amin’Andriamanitra ka nanao hoe: Tompo ô, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao anatiny, ²⁵ ary ny Fanahy Masina no nampitenenanao an’i Davida razanay sady mpanomponao hoe: ,,Nahoana no mitabataba ny jentilisa, Ary misaina anoano foana ny firenena? ²⁶ Ireo mpanjakan’ny tany nitsangana, Ary ny mpanapaka niangona Hanohitra an’i Jehovah sy ny Mesiany’’ (Sal. 2.1, 2). ²⁷ Fa efa niangona marina tokoa teto amin’ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin’ny jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao Masina, dia Jesosy Izay nohosoranao, ²⁸ mba hanao izay notendren’ny tànanao aman-tsainao rahareo hatao. ²⁹ Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin’ny fahasahiana rehetra, ³⁰ omban’ny aninjiranao ny tànanao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin’ny anaran’i Jesosy, Mpanomponao Masina. ³¹ Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00