¹³ Misy azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy faly va? Aoka izy hihira fiderana. ¹⁴ Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon’ ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy; ¹⁵ ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony. ¹⁶ Koa mifaneke heloka hianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana hianareo. Ny fiàsan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra. ¹⁷ Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan’ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin’ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana. ¹⁸ Ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany. ¹⁹ Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin’ny fahamarinana, ary misy anankiray mampibebaka azy, ²⁰ aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ny làlan’ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00