Ny fiangonana dia manompo ny hafa

Fisakaizana

Raha jerena ny izay nitranga taminao hatramin’ny nihaonantsika farany, inona no zavatra iray isaoranao an’Andriamanitra?
Inona no nanahiran-tsaina anao tamin'ity herinandro ity, ary inona no ilainao mba fanatsarana ny zava-misy?
Inona no zavatra ilain'ny olona ao amin'ny fiaraha-monina misy anao, ary ahoana no ahafahantsika mifanampy amin'ny fiahiana izany?
Inona no tantara tamin'ny fotoana nihaonantsika farany? Inona no nianarantsika mikasika an'Andriamanitra sy ny olona?
Tamin'ny fivoriantsika farany, hanapa-kevitra ianao fa hampihatra ny zavatra nianaranao. Inona no nationao, ary nanao ahoana izany?
Iza no nizaranao zavatra avy amin'ny tantara tamin'ny farany? Ahoana no nasetrin'izy ireo izany?
Nahita zavatra ilaina maromaro Isika tamin'ny fivoriantsika farany ary nanao drafitra hamaliana izany. Nanao ahoana ny fizotrany?
Amin'izao fotoana izao isika dia hamaky ny tantara avy amin'Andriamanitra androany...

Matio 25: 31-46

³¹ ARY raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy; ³² ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy; ³³ ary hametraka ny ondry eo amin’ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin’ny ankaviany. ³⁴ Ary amin’izany ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo amin’ny ankavanany hoe: Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao; ³⁵ fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo; ³⁶ tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-trano-maizina Aho, dia novangianareo. ³⁷ Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay? ³⁸ Ary oviana no hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka notafianay? ³⁹ Ary oviana no hitanay narary Hianao, na tao an-trano-maizina, ka novangianay? ⁴⁰ Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko. ⁴¹ Ary dia hilaza indray amin’izay eo amin’ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, hianareo izay voaozona, ho any amin’ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny; ⁴² fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo; ⁴³ nivahiny Aho, fa tsy mba nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, fa tsy mba notafianareo; narary sy tao an-trano-maizina Aho, fa tsy mba novangianareo. ⁴⁴ Ary dia hamaly kosa ireo hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nanan-kitafy, na narary, na tao an-trano-maizina, ka tsy mba nanompo Anao izahay? ⁴⁵ Fa hamaly azy Izy ka hanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko. ⁴⁶ Ary ireo dia hiala ho any amin’ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin’ny fiainana mandrakizay.

Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.

Fampiharana

Amin'izao fotoana, aoka hisy olona iray hitantara ity andalana ity amin'ny fiteniny manokana, toy ny hoe mitantara izany amin’ny namana mbola tsy nahare mihitsy. Ndeha ampiantsika izy ireo raha zavatra adinony na diso nampidiriny. Raha mitranga izany dia anontaniantsika izy hoe: “Aiza ao amin’ny tantara no ahitana izany?”
Inona no ampianarin'ity tantara ity antsika mikasika an'Andriamanitra, ny toetrany, ary izay ataony?
Inona no ampianarin'ity tantara antsika mikasika ny olombelona, ao anatin'izany koa ny tenantsika?
Inona no ianarantsika amin'ity tantara ity mikasika ny maha fiangonana?
Ahoana no hampiharanao ny fahamarinana avy amin'ity tantara ity amin'ny fiainanao amin'ity herinandro ity? Inona no hetsika na zavatra manokana hataonao?
Iza no hizaranao ny fahamarinana avy amin'ny tantara alohan'ny hihaonantsika manaraka indray? Mahafantatra olona maniry ny hahafantatra ny tenin'Andriamanitra ato anatin'ity apps ity tahaka antsika ve ianao?
Eto am-pamaranana ny fivoriantsika, ndao hanapa-kevitra hoe rahoviana indray isika no mivory ary iza no hanentana ny fivoriantsika manaraka.
Mampahery anao mba hitadidy tsara ny zavatra nolaizanao fa hataonao, sy hamerina hihaino ny tantara alohan'ny andro hivoriantsika indray. Ny mpanentana dia afaka mizara ny tantara an-tsoratra na henoina amin'izay tsy manana izany. Raha handeha isika, ndao hangataka ny Tompo hanampy antsika.

0:00

0:00