¹⁹ ARY izao no nambaran’i Jaona, raha ny Jiosy naniraka mpisorona sy Levita avy tany Jerosalema hankany aminy mba hanontany azy hoe: Iza moa hianao? ²⁰ Ary nilaza marina izy ka tsy nandà, fa hoy ny filàzany: Tsy izaho no Kristy. ²¹ Ary izy ireo nanontany azy hoe: Ahoana ary? Elia va hianao? Fa hoy izy: Tsy izy aho. Ilay Mpaminany va hianao? Fa izy namaly hoe: Tsia. ²² Dia hoy ireo taminy: Iza ary hianao? mba hitondranay valiny ho any amin’izay naniraka anay. Lazainao ho iza moa ny tenanao? ²³ Dia hoy izy: ,,Izaho dia feon’ny miantso mafy any an-efitra hoe: Ataovy mahitsy ny làlan’i Jehovah (Isa. 40.3), araka izay nolazain’Isaia mpaminany. ²⁴ Ary iraka avy tamin’ny Fariseo ireo. ²⁵ Dia nanontany azy ireo ka nanao taminy hoe: Nahoana ary hianao no manao batisa, raha tsy hianao no Kristy, na Elia, na Ilay Mpaminany? ²⁶ Jaona namaly azy ka nanao hoe: Izaho manao batisa amin’ny rano; fa eto aminareo misy Anankiray Izay tsy fantatrareo, ²⁷ dia Ilay avy ao aoriako, ary tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho. ²⁸ Izany zavatra izany dia natao tany Betania any an-dafin’i Jordana, izay nanaovan’i Jaona batisa. ²⁹ Nony ampitso dia nahita an’i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao! ³⁰ Izy Ilay nolazaiko hoe: Misy Lehilahy avy ao aoriako Izay efa tonga eo alohako, satria talohako Izy. ³¹ Ary izaho tsy nahalala Azy; fa mba haseho amin’ny Isiraely Izy, izany no nihaviako manao batisa amin’ny rano. ³² Ary Jaona nanambara ka nanao hoe: Izaho nahita ny Fanahy midina avy any an-danitra tahaka ny voromailala ka nitoetra teo amboniny. ³³ Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin’ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan’ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin’ny Fanahy Masina. ³⁴ Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak’Andriamanitra. ³⁵ NONY ampitson’iny indray dia nijanona Jaona sy ny mpianany roa lahy; ³⁶ ary nijery an’i Jesosy nitsangantsangana izy ka nanao hoe: Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra! ³⁷ Ary ireo mpianatra roa lahy ireo, rehefa nandre azy niteny, dia nanaraka an’i Jesosy.
²⁶ ary tonga tany amin’i Jaona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Raby ô, Ilay tany aminao, tany an-dafin’i Jordana, Izay nambaranao, indro, manao batisa Izy, ary ny olona rehetra manatona Azy. ²⁷ Jaona namaly ka nanao hoe: Tsy misy olona mahay mandray na inona na inona, raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany. ²⁸ Hianareo no vavolombeloko fa hoy izaho: Tsy izaho no Kritsy, fa nirahiny hialoha Azy aho. ²⁹ Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan’ny mpampakatra, izay mitsangana sy mihaino azy, dia mifaly indrindra noho ny feon’ny mpampakatra; ary efa tanteraka izany fifaliako izany. ³⁰ Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00