¹⁸ Fa ny teny ny amin’ny hazofijaliana dia fahadalana amin’izay ho very, fa herin’Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena. ¹⁹ Fa voasoratra hoe: ,,Hofoanako ny fahendren’ny hendry, Ary holaviko ny fahalalan’ny mahalala’’ (Isa. 29.14). ²⁰ Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin’izao tontolo izao? Tsy nampodin’Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’izao tontolo izao? ²¹ Fa satria, na dia naseho aza ny fahendren’Andriamanitra, ny fahendrena dia tsy nahatonga izao tontolo izao hahalala an’Andriamanitra, ka dia ny fahadalan’ny fitorian-teny no sitrak’Andriamanitra hamonjeny izay mino; ²² fa ny Jiosy mila famantarana, ary ny jentilisa mitady fahendrena, ²³ fa izahay kosa mitory an’i Kristy voahombo tamin’ny hazofijaliana, dia fahatafintohinana amin’ny Jiosy ary fahadalana amin’ny jentilisa, ²⁴ fa amin’izay voantso kosa, na Jiosy na jentilisa, dia Kristy, Izay herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra. ²⁵ Fa ny fahadalan’Andriamanitra dia hendry noho ny olona; ary ny fahalemen’Andriamanitra mahery noho ny olona. ²⁶ Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana; ²⁷ fa ny adala amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery; ²⁸ ary ny iva razana amin’izao tontolo izao sy izay fanevetava no nofidin’Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy, ²⁹ mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan’Andriamanitra. ³⁰ Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin’i Kristy Jesosy, Izay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika, ³¹ mba ho araka ny voasoratra hoe: ,,Izay mirehareha, aoka Jehovah no ho reharehany’’ (Jer. 9.23).
Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019. © 1965 La Société Biblique Malgache ℗ 1985 PRM, Inc.
0:00
0:00